You are here

Tsy mifidy olona ny fanafihan-dahalo

Nampidirin'i superadmin ny Mon, 05/02/2007 - 13:24

Mety maro no liana t@ ilay vaovao momba ny fanafihan-dahalo tany Madagasikara ka indro atolotra eto ny fehiny.
Efa misy sahady amin'izao fotoana izao ny olona ahiahiana tamin'ilay nahafaty an'i Jamal Khalifa, zaodahin'i Ben Laden.

Fanafihan-dahalo

Haingana dia haingana ny fivoaran'ny raharaha mikasika an' ilay fanafihan-dahalo nitranga tany amin'iny faritr'i Sakaraha iny tao Sahameloka, ny talata alina hifoha alarobia teo, ka nahafaty ny zaodahin'i Oussama Ben Laden, Jamal Khalifa.
Iray andro monja taorian' ny nisehoan'ny fanafihana mantsy dia voalaza, araka ny vaovao re teo anivon'ny zanadrimaraima-pirenena tany an-toerana, fa efa misy olona nosamborin'ny zandary, heverina ho nahavanona izany fanafihana izany. Lehilahy roa no fantatra fa eo am-pelatanan'izy ireo amin' izao fotoana izao ka anaovana famotorana mikasika ity raharaha ity.
Raha ny fanazavana azo, dia tsy latsaky ny 20 lahy teo ary nitam-basy ny ankamaroany no indray nanafika tao amin'ny trano nisy an'ity vahiny ity. Telolahy izy ireo, izay voalaza fa samy “saoudien” avokoa, no indray voatafika tamin'izany. Trano iray tao an-tanàna no nisy azy ireo. Tsy niray efitra tamin'ireo namany roalahy i Jamal Khalifa fa nitokana irery. Tao aminy no voalaza fa namantana ireo dahalo ary tonga dia nitifitra azy. Tao an-damosiny no niditra ny bala ary nivoaka teo amin'ny kibony, teo akaikin'ny foitrany. Voakasik' izany bala izany ny taova tao anatiny ka izay no nahafaty azy.

Nalefa nody

Ireo roalahy namany kosa moa, tafatsoaka avy hatrany raha vao nahare ny fanafihana. Saingy ny iray naratra voatifitra. Voa teo amin'ny tongony. Ilay faharoa no tsy naninona satria tafatsaoaka haingana teo am-baravaran-kely ary lasa niery nisitrika tany anaty lavaka fivarinan'ny rano.
Omaly ihany, ny nofo mangatsiakan'i Jamal Khalifa dia nalefa nody any aminy any Arabie Saoudite. Tonga teto Madagasikara naka ny nofo mangatsiakany ny fianakaviany, niaraka tamin'ny fiaramanidina manokana, “boeing 777 Saudi Arabien”, nentiny.
Tamin'ny 11 ora no nigadona teny amin'ny seranam-piaramanidina teny Ivato ny fiaramanidina haka azy ary tamin'ny 7 ora latsaka fahefany no niainga teo hamonjy an'i Arabie Saoudite. Nialohan'ny nitondran'ny havany ny razana hamonjy ny seranam-piaramanidina Ivato dia mbola nentina tao amin'ny hôpitaly HJRA Ampefiloha izy aloha nanaovana fandinihana akaiky.
Tamin'ny 2 ora sy 17 minitra izy no nigadona tao amin'ny hôpitaly ny fiara mpitatitra “minibus” nitondra azy avy tany Sakaraha. Adiny roa teo no nanaovana ny fandinihana azy tao amin'ny hôpitaly, izay vao nentina teny Ivato izy. Hatrany amin'ny toerana niaingan'ny razana ka hatreny Ivato, indrindra fa teto Antananarivo dia narahina mpitandro ny filaminana hatrany ny fiara nitondra azy. Teto Antananarivo moa dia nialohavan'ny fiaran'ny polisy ny fiara nitondra ny razana. Ary tonga nanatitra azy teny Ivato ny tale jeneralin'ny polisim-pirenena Rahaingo Jacky sy ny lefitra voalohan'ny komandin'ny zandarimariam-pirenena, ny jeneraly Raveloson.

Madio

Ankoatra ireo namana akaiky an'i Jamal, mpiray fihaviana aminy, indrindra fa ireo voatafika niaraka taminy, dia anisan'ireo tonga nanatitra ny razana sy nikarakara ary nanome voninahitra farany azy teny Ivato ireo mpino silamo teratany malagasy. Nosoritan'izy ireo mazava tsara tamin'izany fa madio i Jamal eo amin'ny fitondran-tenany, raha resaka Ben Laden no resahina.
“Marina fa fianakavian'i Ben Laden, izy. Saingy tsy niray petsapetsa taminy velively”, hoy izy ireo. Mpandraharaha izy ary ara-dalàna ny taratasy mikasika ny fahatongavany teto. “Tsy ho nijoro teo anoloan' ny razana ho hitan'ireo manam-pahefana malagasy velively izahay raha toa ka misy zavatra maizimaizina tao ambadik'i Jamal”, hoy ihany ireto mpino silamo malagasy ireto.
Noezahina moa ny nanamarina izay voalazan'ny mpino silamo izay teo anatrehan' ireo tompon'andraikitry ny polisim-pirenena. saingy tsy nety niteny izy ireo.
Ny asabotsy teo i Jamal no tonga teto Madagasikara, namantana tany Toliara avy eo ary dia izao nisy nanafika izao.

Vonoan’olona tsotra
Ny fanjakana malagasy moa izay nosoloin'ny tale jeneralin'ny polisim-pirenena tena, Rahaingo Jacky, manoloana an'iny toe-javatra iny, indrindra teo anatrehan'ny fianakavian'i Jamal Khalifa, izay tonga naka ny razana, omaly, teto Madagasikara, dia nanambara fa hiezaka araka izay azony atao hikaroka ireo dahalo nahavanona iny loza iny.
Nosoritan'ny avy tao amin'ny zandarimariam-pirenena fa amin'ny raharaha fanafihana sy vonoan'olona no itondrana ny famotorana atao amin'izany. Tsy misy idiran'ny raharaha Ben Laden velively.
Nanamafy izany ihany koa ny avy eo anivon'ny minisiteran'ny raharaham-bahiny, araka ny vaovao nangonina teny anivon'ity minisitera ity, fa toy ny raharaha asan-dahalo rehetra iny raharaha iny. Tsy misy resaka politika sy resaka diplomasia. Efa manao ny asany amin'ny fikarohana ireo olon-dratsy ny mpitandro ny filaminana ary dia ho hita eo ny vokany.
Ireo niharam-boina niaraka tamin'i Jamal moa dia efa eny amin'ny toby Ratsimandrava amin'izao fotoana izao no napetraka. Ho fiarovana azy no antony, raha ny fanazavan'ny mpitandro ny filaminana.

Nirina Rakotoson
Date : 02-02-2007
L'EXPRESS DE MADAGASCAR