You are here

Tonga ao amin'ny Bioparco Villa Borghese ny Maki

Nampidirin'i superadmin ny Tue, 31/07/2007 - 12:00

Manomboka izao koa izany dia misy Maki (Lemur catta) ao amin'ny Bioparco Villa Borghese Roma. Araka ny vaovao voaray dia misy Maki 8 izay nampidirina ao amin'io zoo eto Roma io. Tsy nivantana avy any Madagasikara anefa izy ireo fa avy atsy amin'ny zoo iray atsy Repolika Chèque. Efa nisy lemuriens roa hafa karazana ao aminny Bioparc koa ho folo izany no isan'izy ireo amin'izao fotoana izao.

Inoana fa hisy vokany amin'ny fizahan-tany any Madagasikara izao.