You are here

Tatitry ny Fihaonana momba ny Malagasy monina eto Italia.

Nampidirin'i superadmin ny Wed, 03/02/2010 - 13:48

Noho ny fanentanan’ny Dossier Statistico Immigrazione
Caritas/Migrantes 
niaraka tamin’ny Provincia di Roma, Camera di Commercio di Roma, ireo fikambanana  “Fraternità malgascia”, “Zanak’i Gasikara”
ary “Tetezana”, ary ny  fiombonan’ny
mpivavaka katolika sy protestanta
, dia tontosa tamin’ny alakamisy 28
janoary 2010 teo ny Fihaonana natokana hampahafantarana ny vokatry ny
fikarohana natao momba ireo Malagasy monina eto Roma sy any amin’ny faritany .

Nahavelom-bolo ny Fihaonana raha ny habetsahan’ny olona tonga nanatrika,  150 teo no ho eo (Malagasy ny an-tsasany), sy
ny hafonjan’ny hevitra nentin’ireo mpandray anjara nandray fitenenana nandritra
ny adiny roa mahery kely.

Ny solontenan’ny Caritas diocesana di Roma, Enrico Feroci, talen’ny MSR teny am-piandohana no
nanamafy ny lanjan’ny  “fifanakalozan-kevitra ara-koltoraly” (dialogo
interculturale)
 eo amin’ireo mpiavy
sy ny firenena mampiantrano.

Avy amin’ny  Ministeran’ny Atitany, dia D.ssa Mariagrazia Colosimo no naneho ny fahavononan’ny  tompon’andraikitra isan-tsokajiny ao amin’ny ministera  hihaona mivantana amin’ireo vondrom-bahoaka
tsy mbola fantatr’izy ireo ; nanome fanazavana sy torolàlana  ihany koa izy ny amin’ny fomba hahazoana
fanampiana atolotry ny Tetibola Eoropeana natokana ho mba hahatsara tombina ireo
mpifindra-monina

Bruno Fusciardi,  izay
nanatontosa ny fikarohana momba ireo Malagasy kosa no nanazava fohifohy toa
izao ny vokatry ny fanadihadiana :  maro
an’isa ny vehivavy (mihoatra ny 70%), maro ireo tanora (latsaka ny 40 taona),  ambony ny faripahaizan’ny ankamaroan’ireo
tanora malagasy  eto kanefa  manao asa  sy mandray karama tsy mifanentana amin’izany izy ireo (ny maripahaizana
malagasy rahateo tsy eken’ny Fampianarana italianina),  Ankoatra izay dia hita taratra  tamin’ny fanadihadiana koa fa manan-danja eo
amin’ny Malagasy ny “Aina” sy ny “Fihavanana” (Atolotra eto ihany ny vokatra
feno tamin’izany fanadihadiana izany)

Massimo Guidotti, nisolo tena ny  Assessore alle Politiche Sociali della Provincia di Roma, no
nampahafantatra ny tetikasan’ny  “Provincia
di Roma” momba ny fifindra-monina sy  izay
hahatafa tombina tsara ireo mpiavy, na eo amin’ny lafiny ara-koltoraly izany na
eo amin’ny lafiny ara-toe-karena, ka ohatra noraisiny tamin’izany ny vokatsoa
nateraky ny  tetikasa “Impresa Senza
Frontiere” vao haingana izay , natao hanampiana ny mpifindra-monina amin’ny
fananganana orinasa madinika sy fanohanana izany

Lorenzo Tagliavanti  avy ao
amin’ny Confederazione Nazionale Artigianato (CNA) e Piccole e Medie Imprese kosa no niresaka momba ny anjara biriky entin’ny mpifindra monina ho an’ny toe-karena
italianina, indrindra eo amin’ny sehatry ny orinasa madinika sy ny asa-tànana
ka namafisiny tamin’izany ny toromarika napetraky ny CNA momba ny
fampandrosoana sy fanohanana ireo amin’ny  fomba maromaro toa ny  “microcredito” ohatra ireo  orinasa vaovao natsangan’ny mpifindra monina .

Augusto Venanzetti avy amin’ny Rete Scuole Migranti e
l’apprendimento dell’italiano
indray dia nanamafy ny lanjan’ny fiofanana
ara-koltoraly sy arak’asa ho an’ny mpifindra monina ; ho an’izany
indrindra  no hiompanan’ny andraikitra
sahanin’ny la Rete Scuole Migranti eo amin’ny sehatra nasionaly, manomboka amin’ny fianarana sy
fanatsarana ny fitenenana italianina ho an’ireo mpifindra monina tanora, sy
ireo nahazoazo taona ihany koa

Taorian’izany dia nifandimby nandray fitenenana nilazalaza fohifohy momba
azy avy ireo solotenan’ny Fikambanana malagasy sy ny  fivondronan’ny  kristianina :

-        

Pascal Ramananjara avy amin’ny  Fraternità malgascia

-        

Hervé
Ravelomanantsoa avy amin’ny “Zanak’i Gasikara”

-        

Geneviève
Soaritony avy amin’ny “Tetezana Onlus”

-        

Mompera Joseph
Rabenirina avy amin’ny fiangonana katolika

-        

(tsy afaka tonga kosa Danny Rajaobelina avy amin’ny
fiangonana protestanta)

Ary farany dia isan’ny nitondra ny fiarahabana tao amin’ny
Fihaonana ireo fikambanana  misahana asa
soa any Madagasikara  dia :

-        

ny Fikambanana  MAIS  tamin’ny alalan’i Anna Bartoloni,

-        

ny Fikambanana “Per un sorriso Monica De
Carlo”
tamin’ny alalan’i Roberto De Carlo

-        

ary ny Fikambanana  “Amici di Padre Pedro” tamin’ny alalan’i Fabio Meloni.

 

Nandrindra izany rehetra izany moa, sy namarana ny asa i Franco
Pittau
avy amin’ny Dossier Statistico Immigrazione Caritas/Migrantes, izay
isaorana eram-po eran-tsaina tokoa.

 

Indreto horonan-tsary vitsy nirakitra izany ary ny sary dia azo jerena ao amin'ny tahirintsary :

Lahateny teny am-panombohana.

 

Fikambanana "Fraternità malgascia"

 

Fikambanana "Zanak'i Gasikara"

 

 

Fikambanana "Tetezana Onlus"

 

Fikambanana "Mais Onlus"

 

Fiangonana katolika malagasy.

 

Fikambanana "Monica De Carlo - per un sorriso"

 

Fikambanana "Amici di Padre Pedro"

 

Teny fisaorana.

 

(Tatitra nataon’i Bruno Fusciardi, nanao ny fanadihadiana
momba ny Malagasy monina eto Italia sady mpikambana ao amin’ny Tetezana Onlus.
Nandika amin’ny teny malagasy : Rondro)