Nampidirin'i superadmin ny Sun, 17/05/2015 - 17:42
Mankasitraka antsika rehetra, laika sy relijiozy, tonga nanotrona ny nitondra avo hatrany ny fanevan'i Madagasikara teny amin'ny Festa dei Popoli izay tontosa omaly 17 mey teto Roma. Misaotra indrindra tamin'ny vako-drazana nasehon'ny Terak'i Fianarantsoa teny ambony lampihazo fa afaka nihambo izahay teny ambony bozaka sy tanaty trano heva fa Malagasy.