Dia miarahaba antsika rehetra vita soa ny asaramanitra daholo !
Dia nahafinaritra tokoa ny fety raha toa izao ny fanehoan'ny namana iray ny hafaliam-pony :
"Ny tenanay moa nanatrika ny asaramanitra ka dia naheno hafaliana
sy fiombonana tamin'ny Malagasy rehetra na ny tonga nanatrika na ny tsy
tonga.
Ny fety dia nanomboka tamin'ny 18h 45' ka somary alinalina vao
vita. Andro iray toa zato moa iny andro iny ka dia niandry hatramin'ny
fanapahana mofo mamy ny tenanay.
Vao teny am-piandohana dia efa nampientam-po ny fanandratana ny
sainam-pirenena malagasy niaraka tamin'ny hira izay efa ela tokoa ny
tenanay no tsy niventy ka dia nanezaka nihira faran'izay mafy.../..."
Misaotra ireo Fiangonana mirahavavy eto Roma izay nisantatra ny andron'ny 26 jiona tamin'ny fotoam-pivavahana iraisam-pinoana nangatahana Fitahiana ho an'ny Firenena ny maraina.
Mankasitraka hatrany ireo Raiamandreny ao amin'ny Masoivoho izay tsy manadino fa mahatsiaro hatrany antsika Malagasy eo ambany fiahian'izy ireo isaky ny Asaramanitra na dia mbola mandalo fotoan-tsarotra aza ny Nosintsika.
Mankatelina ihany koa amin'ny fandavantenan'ireo rehetra niara-nientana nahatomombana iny andro iray iny teo amin'ny lafiny rehetra rehetra.
Mifampirary ny soa hatrany, dia ho tanteraka tokoa anie ilay hira hoe "dia ho tany sambatra ilay Madagasikaranay".
Dia mankasitraka hatrany koa ireo izay nanolotra ny sary hozaraina eto an-kafaliana ary misaotra mialoha ireo mbola hanolotra : misaotra an'i Andry, i Sr Alfonsina, i Zo, i Sidonie, i Nadia, i Justine, ...