You are here

Sampakazo sy Paka (Roma)

Nampidirin'i superadmin ny Thu, 06/04/2006 - 07:18

Ry anadahy, rahavavy ao amin'ny Tompo.

Faly manolotra ny fiarahabana amintsika mianakavy indray rahefa avy niara-nifaly tamin'izay hetsika maromaro niombonana izay. Eny, tena sitrak'i Jesoa ny fiahamientan'ny mpino
rehetra, sitrany koa ny hiombonantsika fo sy feo amin'ny fisaorana an'Andriamnitra. Ka nifanojo amin'ny andron'ny Sampakazo ny alahady faharoa izay iarahantsika malagasy katolika mankalaza ny Eokaristia ifandraisana aina amin'Andriamanitra.
Mety mipetraka ny fanontaniana hoe : misy ny fankalazana ny Eokaristia miaraka sa tsia? "ENY" no valiny.
Tsy hadinontsika koa anefa fa amin'io Sampakazo io no andraisan'ny tanora rehetra ny hafatry ny Papa Ray Masina Benoit XVI izay ankalazaina amin'ny fomba manetriketrika ao amin'ny toerana malalaka mitondra ny anaran'i Md Piera ao Vatikana. Miombona amin'ny tanora eran'izao tontolo izao isika ary mitondra azy ireo am-bavaka mba hahita ny làlana nosoritan'Andriamanitra hizorany avy ny tsirairay.

Hamafisana ary fa misy ny lamesa [b]fankalazana ny Sampankazo amin'ny alahady 9 avril ho avy izao amin’ny 10 ora[/b]. Tsy miova ny toerana fa ao ami’ny [b]"Chapelle" ndry Mompera Zezoita ihany (Collegio Bellarmino Via del Seminario, 120)[/b], tsy lavitry ny Panthéon no misy azy io. Manantena antsika mianakavy ary ho tonga maro hihoby an'i Kristy miditra ao Jerosalema.

Ny alahady manaraka moa, mazava ho azy fa fankalazana manetriketrika ny nitsanganan'i Tompo ho velona : [b]"PAKAN'I KRISTY"[/b], paka ho an'ny tsirairay, ka dieny izao dia mampandre ary manentana antsika fa [b]ny lamesa dia amin'ny 10 ora[/b] araka ny mahazatra ; ny toerana efa voalaza eo ambony. Saingy miangavy antsika mba tsy dia hanao fotoan-gasy be loatra e.

Hiditra tanteraka amin'ny fankalazana ny herin'andro Masina isika, maro ny adidy iantsorohan'ireo Pretra sy Diakra mandritra izany fotoana izany : tohanantsika am-bavaka izy ireo. Angatahantsika izy Tompo mba hanome ny fahasoavana rehetra ilain'ny isambatan'olona ho fiomanana amin'izany.
"Mahatoky tokoa izao teny izao : Raha miara-maty amin'i Kristy isika, dia hiara-belona Aminy koa. Raha miaritra fijaliana miaraka Aminy isika, dia hiara-manjaka Aminy koa." 2Tim 2, 11-12a. Dia io tenin'i Masindahy Paoly io no irariana fotoam-pahasoavana hiarahan-dalana amin'i Kristy, na amin'ny mora na amin'ny sarotra.
Araka ny fanamarihana moa dia misy ireo tsy mahazo filazana indraindray ka mandram-panavao ny adiresy dia iangaviana isika mba hifampilaza. Misaotra indrindra amin'ny firaha-miasa.

Samia ary ho tahin'Andrimanitra ka hifankahita soa aman-tsara indray.

Ny Birao