You are here

Réveillon 2006-2007

Nampidirin'i superadmin ny Tue, 02/01/2007 - 09:18

 

Sary vitsivitsy nalaina nandritra ny fety nandraisana ny taona 2007. Misaotra antsika rehetra nahatontosa sy nahatomombana iny fotoana iny fa tena nahafinaritra ny firaisankina. Nentim-pitiavana tokoa isika rehetra, te-hanao fetim-pianakaviana fa tsy fitadiavambola, ka dia nandray anjara tamim-pifaliana tokoa. Nanan'amby indray izay norombasan'ny tànanareo nentina tao ka izay afaka mbola notehirizina - indrindra ireo zava-pisotro saika tsy zakan'ny fiara iray - dia naterina eny amin'ny foiben'ny masoivoho fa haroso antsika amin'ny fety fifampiarahabana nahatratra taona indray afaka andro vitsivitsy satria antsika mianakavy ireny. 
Misaotra, mankasitraka, mankatelina.

Toa ny mahazatra, raha misy manana sary hafa hatao fahatsiarovana eto amin'ity takelaka ity dia alefaso amin'ny adiresy hery@serasera.org ihany.