Ny Malagasy rehetra aty Verona, Brescia, Vicenza, Udine, Bergamo, dia
manasa ny be sy ny maro hiaraka hankalaza ny fetin'ny taom-baovao 2011
any Vicenza, ao amin'ny Parrocchia San Marco
(salle ao ambonin'ny fiangonana), Piazza del Comune,
Creazzo (Vicenza) ny Zoma 31 Desambra 2010, manomboka amin’ny 9 ora alina ka mandra-maraina.
Tsy hisy vidim-pidirana fa samy mandoha 1€ ihany ho fandraisana anjara amin'ny jiro sy ny trano.
Samia mitondra sakafo sy tsakitsaky ary zava-pisotro hifampizarana amin’ny be sy ny maro.
FANDAHARAM-POTOANA:
21h: Fihaviana sy fiaraha-misakafo
22h - mandra-maraina: alim-pandihizana
• Ny Mpampandihy dia efa za-draharaha na ny amin’ny mozika malagasy na ny amin’ny
hafa ihany koa.
• Ny fahafaham-po sy ny fahafinaretana dia azo antoka!
Izay mila fanazavana misimisy kokoa dia afaka miantso an'i :
Carole : 329-3374983 na Françoise sy Nicolas 320-5584419 na 045-568330.
Misaotra betsaka e miandry ny fihavian-drehetra.