Araka ny nanasana antsika teto Roma dia nanokana tolakandro hialana voly hamaranana ny fialan-tsasatra ireo Zoky Raiamandreny mpiahy antsika ao amin'ny masoivohom-pirenena.
Nahafinaritra ny fiarahana, nizotra tsara ny lalao na karatra, na lòtò, na daomy. Tao koa ny vazo ny tsakitsaky, ny tono hena sy fiarahana miala-hetaheta.
Mankasitraka ireo rehetra tonga fa vao santatra ambavarano tokoa izy iny. Arahabaina ireo nandresy ka nandrombaka ny loka tamin'ny lalao, loka izay natolotr'i Ramatoa Mpiandraiki-draharaha tamin'ny anaran'ireo mpiara-miasa aminy. Ny nandresy tsy nobiana ary ny resy tsy nakoraina fa dia Firaisankina tokoa no nifaninana tao. Misaotra azy ireo Raiamandreny noho izany indrindra satria tsapan'izy ireo ny isan'ny zavatra mba ilaintsika Malagasy eto : fialamboly hitandroana ny fihavanana. Ny hetsika manaraka no ezahintsika rehetra ho tsara noho izay vita anio izay
Misaotra amin'izay rehetra novingitinareo rehetra ka nifampizarana tao. Misaotra tamin'ny hehy sy korana, ary dia mirary taom-pianarana sy taom-piasana mavitrika ho an'ny tsirairay fa dia vita sao izay ny fialan-tsasatra.
Mirary soa e.