Nampidirin'i superadmin ny Tue, 13/03/2012 - 13:07
ny Masoivohompirenen'i Madagasikara eto Roma dia faly mampahafantatra fa
tonga ary efa azo alaina ireo pasipaoro vaovao na nohavaozina tamin'ny
volana janoary teo iny, ka toa izao ny fandaminana :
- ny sabotsy 24 MARTSA, ny alahady 25 MARTSA ary ny alakamisy 5 APRILY ihany andro hakana azy
- TSY MAINTSY NY TOMPONY no tonga maka ny pasipaoro vaovao fa tsy ekena
ny fanomezam-pahefana afa-tsy ny an'ireo zaza latsaky ny 16 taona
- ilaina ny TARATASY FANAMARINANA (pièce d'identité) an'izay olona haka ny pasipaoro, miaraka amin'ny ROSIA nandoavana ny vola
- ireo zay manana ny pasipaoro teo aloha dia iangaviana hamerina izany amin'io andro io.
Ny ora handraisana amin'ireo andro rehetra ireo dia amin'ny 9 ora maraina hatramin'ny 4 ora hariva.