You are here

Andriamatoa Narisoa Rajaonarivony nihaona tamin'ny Ray masina.

Nampidirin'i superadmin ny Mon, 19/01/2009 - 23:27

Anio 18 desambra 2008 no nanolotra tamin'ny Ray Masina Benoà XVI ny taratasy manendry azy ho ambasadaoro malagasy eo anivon'ny Vatican andriamatoa Rajaonarivony Narisoa.

Anio 18 desambra 2008 tamin'ny 11 ora maraina no nanolotra tamin'ny Ray Masina Benoà XVI ny taratasy manendry azy ho ambasadaoro malagasy eo anivon'ny Vatican andriamatoa Rajaonarivony Narisoa, lehiben'ny masoivohontsika ao Frantsa.

Isan'ny nambaran'andriamatoa Rajaonarivony tamin'izany fa ny fitondrana malagasy dia miorina amin'ny Finoana an' Andriamanitra indrindra indrindra, ny Fihavanana, ny Fahamarinana, ary ny MAP dia mikendry ny hananana toe-karena mafy fototra sy miroborobo mba hampihena ny fahantrana. Mifampiankina, hoy izy, ny firenena rehetra eran-tany, ary hita taratra izany amin'izao fotoan-tsarotra lalovana izao, ka tsy tokony hamela irery ny tany mahantra ireo tany manan-karena.

Namaranany ny teniny dia ny fahavononany hanamafy ny fiaraha-miasa efa misy eo amin'ny Vatican sy Madagasikara.

Ny Ray Masina kosa raha nandray ny fitenenana dia nanome toky fa tsy manadino sy mitondra am-bavaka hatrany ny vahoaka malagasy, indrindra fa nitondra faisana tokoa i Madagasikara  tamin'ity taona ity vokatry ny loza voajanahary. Tsara tokoa noho izany, hoy izy, ny nanolorana tamin'ny tetikasa Akamasoa ny mari-pankasitrahana "Van Thuan 2008, Firaisan-kina sy Fampandrosoana" tamin'ny 13 desambra lasa teo nandritra ny fankalazana ny faha-enimpolo taona nanambaràna ny Zon'olombelona.

Nampitainy tamin'andriamatoa ambasadaoro koa ny fiarahabany ny fianakaviamben'ny Fiangonana katolika malagasy izay mandray anjara lehibe tokoa amin'ny fampandrosoana ny firenena araka ny teniny . Notsarovany manokana tamin'izany ny Olon-tsambatra Victoire Rasoamanarivo sy Frera Raphael Rafiringa izay efa mandroso miadana ny fikarakarana ny hahanganana azy ho Olomasina sy Olon-tsambatra.

 

Teo am-pamaranana dia norariany tokoa ny hahatontosan'andriamatoa ambasadaoro ny adidy masina napetraka taminy ary nanome toky izy, sy ireo mpiara-miasa aminy, fa hanao izay hampirindra tsara sy hahalalim-paka ny fifandraisana efa misy eo amin'ny firenena roa tonta.

 

 

Ato amin'ny tahirin-kevitra no hahitanao ny lahateniy nataon'Andriamatoa Rajaonarivony

Ato kosa no hahitana ny lahatenin'ny Ray Masina.