You are here

Fanasana amin'ny Noely malagasy.

Nampidirin'i superadmin ny Mon, 15/12/2008 - 08:58

Ny Fiangonana protestanta sy katolika eto Roma dia faly manasa ny rehetra hiara-hankalaza ny Noely malagasy amin'ny alahady 21 desambra 2008 amin'ny 3 ora sy sasany tolakandro eny amin'ny piazza Santa Maria alle Fornaci, 30.

Ny Fiangonana protestanta sy katolika eto Roma dia faly manasa ny Malagasy rehetra tsy ankanavaka hiara-hankalaza ny Noely malagasy amin'ny alahady 21 desambra 2008 amin'ny 3 ora sy sasany tolakandro eny amin'ny piazza Santa Maria alle Fornaci, 30.

Fotoana hampisehoana ny fihavanan'ny Malagasy io na samy hafa finoana aza mandritra ny fetin'ny ankizy. Hisy ny fizarana fahatsiarovana amin'izany. Tongava maro fa ho hafa kely ny Noely malagasy amin'ity indray mitoraka ity.

Aorian'ireo fampisehoana dia hisy fiaraha-miala hetaheta. Ary ho an'ireo izay tsy afaka ho avy dia ao amin'ny vohikalan'ny Paroasy Rasoamanarivo no hahitana ny sary sy ny horonantsary mirakitra izany.

 

(Vaovao nampitain'ny paroasy katolika Victoire Rasoamanarivo)