You are here

Taona pastoraly vaovao ho an'ny paroasy katolika eto Roma.

Nampidirin'i superadmin ny Fri, 12/09/2008 - 17:43

Ny taona pastoraly 2008-2009 dia santarina amin'ny lamesa amin'ny alahady 14 septambra 2008 amin'ny 10 ora sy sasany maraina ao amin'ny via del seminario 120.

Ampatsiahivina isika rehetra fa hanomboka amin'ity volana septambra ity ny taona pastoraly 2008-2009 ao amin'ny paroasy katolika "Victoire Rasoamanarivo" eto Roma, ka izany dia santarina amin'ny lamesa amin'ny alahady 14 septambra 2008 amin'ny 10 ora sy sasany maraina (iangaviana ho tonga amin'ny 10 amin'ny fandaminana sy fiomankomanana amin'ny hira) ao amin'ny foiben'ny paroasy, Chapelle San Macuto, via del seminario 120.

Hotsarovana amin'io alahady io ihany koa ny taona voalohany nandaozan'i Mompera Paul Louis Rafanomezantsoa antsika ka entanina daholo hiara-hivavaka ho azy amin'io andro io.

Misaotra tompoko.