You are here

Voady voalohan'i Sr. Meltine sy Sr. Anna Brigitte

Nampidirin'i superadmin ny Thu, 17/07/2008 - 05:07

Dia tontosa tsara antsakany sy andavany ny voady voalohany nataon'i Sr. Meltine sy Sr. Anna Brigitte tao amin'ny Fiangonan'i SANTI URBANO e LORENZO tao Prima Porta ny alarobia 16 jolay teo. Masera malagasy voalohany ao amin'ny fikambanandry Masera Ancelle del Signore.

Tsotra kanefa nahafinaritra ny fety. Nandritra ny lamesa fankalazana ny "Beata Vergine del Monte Carmelo" no nanaovan'izy ireo ny fanekena voalohany hanompo an'Andriamanitra, ny Fiangonana ary izao tontolo izao. Nandritra ny lamesa dia nandray anjara tamin'ny fihirana ny "Masina Masina" ny Malagasy vitsivitsy tonga teny.

Taorian'ny lamesa dia nisy koranam-pianakaviana fohifohy niarahana tamin'ireo voaasa.

Tahirintsary: Voady voalohany nataon'i Masera Meltine sy Anna Brigitte. (16-Jul)