You are here

Fahatsiarovana an'i Mompera Dario Asti s.j.

Nampidirin'i superadmin ny Tue, 15/07/2008 - 09:02

Ny alarobia 16 jolay izao no hatao ao amin'ny Fiangonan'ny Madonna del Carmelo ao Fontanaluccia ny fahatsiarovana an'i Mompera Dario Asti, Zezoita. Izy dia Missionera Italiana niasa maharitra tany Madagasikara, tany rahateo izy no nohamasinina ho pretra tamin'ny taona 1959.

Tao Ikongo (Fort Carnot) izy no niasa maharitra nandritra ny 15 taona avy eo nifindra tao Vohimarina. Ary nodimandry tamin'ny 23 mey 2007.

Mandritra izao fahatsiarovana azy izao dia misy boky kely izay hozaraina mitantara ny asa nataony tao Madagasikara.