You are here

Taratasy misokatra avy amin'ny Ambasadaoro.

Nampidirin'i superadmin ny Mon, 12/05/2008 - 18:28

Indro adikanay malalaka eto ny taratasy misokatra nataon'Andriamatoa Razafy-Andriamihaingo Jean-Pierre, lehiben'ny Masoivoho malagasy eto Roma, ho an'ny Malagasy rehetra eto Italia.

Ity moa dia dikanteny malalaka nataonay mpikarakara ity vohikala ity, fa ny tena taratasy nosoratan'Andriamatoa Ambasadaoro dia azonareo jerena ao amin'ny vohikalan'ny masoivoho : ambamad-roma .

 

Ry mpiray tanindrazana hajaina,

Tonga ity ny fotoana hifandraisako aminareo voalohany, satria rehefa nahazo ny toromarika ambony avy amin' Andriamatoa Marc Ravalomanana, Filohan'ny Repoblika, sy Andriamatoa Ranjeva Marcel, Minisitry ny Raharaham-bahiny aho, dia indro mandray ny andraikitro vaovao eto amin'ny Masoivoho malagasy eto Roma.

Eo ambany fitarihan'ny Filohan'ny Repoblika, dia manomboka dingana iray amin' ny ezaka mankany amin'ny fandrosoana i Madagasikara, miaraka amin'ny Governemanta vaovao miforona manodidina ny Jeneraly Charles Rabemananjara sy ny Malagasy manontolo - ny tsirairay avy araka ny tandrifiny avy - ka anisan'izany ianareo eto amin'ny firenena italiana, sy ireo Malagasy miely any amin'ireo firenena ambany fiadidian' ity Masoivoho ity ihany koa, izay hanaovana antso avo mba hahatontosa avo roa heny ny ezaka, ny fandraisana andraikitra,ny fiezaha-mikaroka, ny fahavitrihana ary ny faherezana amin'ny fanohanana hatrany ny antoky ny firenentsika.

Ny tsirairay avy ary dia tokony hahatsapa fa voakasika amin'ny fanatanterahana ny tanjon'ny MAP (Madagasikara Am-Perinasa), satria tokony hanangasanga amin'ny taona 2012 ny hisondrotan'i Madagasikara ho firenena afaka hanome ny vahoakany toekarena tsy mena-mitaha, fari-piainana azo antoka, fiaraha-monina milamina sy matanjaka ary rehareha eo amin'ny lafiny iraisam-pirenena. Aoka isika hatoky ny fahaizantsika. Ilaina ary ny fifantohan'ny tsirairay amin'izany mba tsy hiparitahan'ny herintsika. Ary mazava ho azy, matokisa fa ny tombotsoa eo am-pelatànantsika amin'izao fotoanan'ny ezaka lehibe amin'ny fampandrosoana, sy hisedratsika ireo fanamby manemitra ny làlana izorantsika izao, dia antoka iray tsy azontsika avela handalo fotsiny.

Manantena ny firaisankina mavitrika arahin'ny fifanajana eo amin'ny fahasamihafana avy aminareo aho noho izany.

 

 

Jean Pierre RAZAFY-ANDRIAMIHAINGO
Ambassadeur Plénipotentiaire et Extraordinaire
de Madagascar en Italie, dans les autres pays de juridiction
et Représentant permanent auprès de la FAO, du PAM et du FIDA

 

.