You are here

Fanasana.

Nampidirin'i superadmin ny Sat, 10/05/2008 - 09:19

Ireo Fikambanana manao asa soa any Madagasikara : Tetezana, MAIS, Amici di Padre Pedro ary Gialuma dia manasa antsika ny talata 20 mey (17h-20h) ao amin'ny Città dell'Altra Economia (Testaccio).

Ny Fikambanana Tetezana miaraka amin'ireo Fikambanana telo hafa manao asa soa any Madagasikara : "MAIS", "Amici di Padre Pedro " ary "Gialuma " dia manasa antsika hanatrika ilay hetsika karakarain'izy ireo amin'ny talata 20 mey 2008, amin'ny 5 ora tolakandro ka hatramin'ny 8 ora alina ao amin'ny Città dell'Altra Economia - Campo Boario, largo Dino Frisullo (Testaccio).

Izany hetsika izany dia entina hanohanana ireo tetikasa tontosain'izy ireo any Madagasikara.

Hisy araka izany ny fampisehoana sary sy horonantsary, hira sy mozika malagasy ary resadresaka momba ny toe-draharaha sy ny fiainana ankehitriny any Madagasikara.

Manantena ny fahatongavantsika Malagasy maro ary mamporisika ny rehetra amin'ny fampandrosoana ireo hetsika entina hanohanana an'i Madagasikara, indrindra amin'izao fotoan-tsarotra lalovan'ny ankamaroan'ny vahoaka any izao.

Misaotra betsaka

 

  

Izay mila fanazavana fanampiny dia afaka miantso an'i

Andry : 347- 1432921

na mitsidika ny vohikalan'ny Tetezana Onlus .