You are here

Fisaorana avy amin'i Frera Nicolas sy Frera Pascal.

Nampidirin'i superadmin ny Wed, 26/03/2008 - 22:59

Dia an-kafaliana tokoa no isaoranay anareo rehetra tonga nanotrona sy niombom-bavaka tamin'ny fanamasinana anay mirahalahy ho diakra ny 25 Marsa 2008 lasa teo iny.

Dia an-kafaliana tokoa no isaoranay anareo rehetra tonga nanotrona sy niombom-bavaka tamin'ny fanamasinana anay mirahalahy ho diakra ny 25 Marsa 2008 lasa teo iny.
Tsy nahatsiaro ho irery izahay fa nanan-kavana, tapaka sy namana nanotrona, misaotra eram-po eran-tsaina fa indrindra eram-panahy ; tsy fidina tsy avahana na ireo tsy tonga nefa naniry, ka tsy afaka noho ny antony maro samy manana ny azy. Ny fiombonam-bavaka nataonareo dia efa zava-dehibe ho anay ary tena tsapanay sy renay tokoa izany tao

am-ponay.

Ny Andriamanitry ny fiadanana anie no hamaly sy hameno hafaliana lalandava ny fiainanareo ary koa hitantana ny dianareo isam-baravarana.
Misaotra, misaotra, misaotra.
Fr. Nicolas sy Fr. Pascal (sj)
 
 
 
(ny sary nandritra ny andro fanokanana ho diakra sy ny ampitso nandritra ny sakafom-piavanakaviana niarahan'ny fianakavian'ireo Diakra vaovao sy ny Fikambanan'i Jesoa dia azo jerena ao amin'ny tahirintsary.)