You are here

Fiatahana masina ao amin'ny paroasy katolika.

Nampidirin'i superadmin ny Mon, 03/03/2008 - 11:37

Hatao amin'ny alahady 9 marsa tontolo andro ho avy izao ny Fiatahana masina (recollection) karakarain'ny Paroasy malagasy Victoire Rasoamanarivo.

Hatao amin'ny alahady 9 marsa tontolo andro ho avy izao ny Fiatahana masina (recollection) karakarain'ny Paroasy malagasy Victoire Rasoamanarivo.
 
Toa izao fandaharam-potoana amin'izany :
  1. Fahatongavana sy fanombohana amin'ny 9h30, ao amin'ny Collège Bellarmino misy ny paroasy katolika ihany
  2. Hisy fampianarana roa sosona (maraina sy tolakandro), ary fiaraha-midinika sy fiomanam-panahy amin'ny Paka.
  3. Ny Sorona Masina dia amin'ny ora mahazatra ihany (10h30).
  4. Samy mitondra sakafo antonony izay hifampizarana amin'ny antoandro.

Hisy solontena 2 avy amin'ny Vicariato di Roma ho avy hitsidika sy hamangy antsika koa amin'io andro io, ka dia tena zava-dehibe loatra io fihaonana io. Ka dia asaina daholo isika mianakavy, indrindra ny lahika mba ho tonga maro amin'izany, ary manolotra ny fisaorana antsika rehetra.
 
 
(Nampitain'ny Père Patrick)