You are here

Lamesa sy lanonana fifampiarahabana tratran' ny taona.

Nampidirin'i superadmin ny Wed, 09/01/2008 - 09:34

Araka ny tetiandro pastoraly 2007-2008 nozaraina tamintsika tamin'ny volana oktobra 2007 dia hotanterahina amin'ity alahady 13 janoary ity ny fihaonambe voalohany sy fifampiarahabana Taombaovao karakarain'ny Aomoneria Victoire Rasoamanarivo ka anasana antsika rehetra tsy ankanavaka.

Ny toerana hanatanterahana izany dia ao amin'ny Oratorio Salesiano ao amin'ny Basilica Santa Maria Ausiliatrice eo amin'ny Piazza Santa Maria Ausiliatrice 54, manaraka ny via Tuscolana (bus 85 mijanona eo anoloan'ny Basilica na bus 16 dia miala aloha kely dia mandroso an-tongotra 300m).
Ny fandaharam-potoana dia toy izao :
- fahatongavana amin'ny 10ora sy sasany maraina ;
- 11 ora : Sorona Masina lehibe sady fankalazana ny Andro eran-tany ho an'ny Migrants.
- Avy eo dia fiaraha-misakafo sy koranam-pianakaviana hafanain'ny tanora sy izay rehetra manan-talenta.
Dia entanina isika rehetra mba samy hanomana sy hitondra izay sakafo sahaza sy hifampizaràna amin'io andro io araka ny efa mahazatra antsika.
Dia manantena ny fahatongavan'ny maro, ary dia iangaviana isika rehetra mba hifanentana sy hifampilaza noho ny fotoana efa antomotra ihany. Ialana tsiny indrindra koa ny fahataran'ny fampandrenesana noho ny fahasarotan'ny fikarakarana.
Dia misaotra mialoha antsika rehetra.
(Nanoratra sy nampita : P Patrick)