You are here

Fialan-tsasatra karakarain'ny Paroasy katolika eto Roma.

Nampidirin'i superadmin ny Sun, 31/05/2009 - 07:28

Hisy fiarahana miala sasatra karakarain'ny Ankohonana Victoire Rasoamanarivo eto Roma izay hatao ny 16 ka hatramin'ny 22 aogositra ho avy izao any Valle d'Aosta.

Hisy fiarahana miala sasatra karakarain'ny Ankohonana Victoire Rasoamanarivo eto Roma izay hatao ny 16 ka hatramin'ny 22 aogositra ho avy izao any Valle d'Aosta.

Toa izao ny andinindininy :

Toerana : Valle d'Aosta

Fotoana : 16 - 22 aogositra 2009

Fiaingana : alahady 16 aogositra amin'ny 11 ora alina (garan'ny Termini). Fahatongavana any Aosta ny alatsinainy 17 aogositra amin'ny 11 ora antoandro any ho any. Tranon'ny Fikambanan-dr'i Masera no hitobiantsika amin'izany.

Fandraisan'anjara (sakafo sy trano) : 60 euro isan'olona. Samy mitondra ny lambam-pandriana (draps).

Saram-pitaterana : 35 euro (Roma-Torino) + 8 euro (Torino-Aosta) x 2 (mandroso-miverina). Raha maromaro isika no handeha dia mety hisy fihenam-bidy eo amin'ny 10% ka mety ho 40euro x 2 isan'olona. Mila manomana 20 euro isan'olona ihany koa isika hoentina mitsidika tanàna mandritra izany fotoana izany (Cogne, Courmayeur, Grand Saint Bernard...). Raha atambatra izany dia eo amin'ny 100 euro isan'olona eo ho eo ny saran'ny fitaterana.

Fisoratana anarana : alohan'ny 14 jiona 2009. Antsoy ny finday : 320-0425775 na manoràta amin'ny Ray am-panahy Patrick :  phajanirina@yahoo.fr

Misokatra ho an'ny Malagasy tsy an-kanavaka ity fialan-tsasatra ity saingy noho ny toerana voafetra dia mila misoratra anarana mialoha.