You are here

Fihaonan'ny Malagasy ao Alemaina sy ny manodidina.

Nampidirin'i superadmin ny Sun, 14/09/2008 - 20:55

Anatin’ny fanatanterahana ny MAP, dia voninahitra ho an’ny Masoivohon’ny Repoblikan’i Madagasikara ao Alemaina ny manasa ny Malagasy monina ao sy amin'ny firenena manodidina hanatrika fihaonana amin'ny 10 sy 11 oktobra 2008.

 

 

 

 

 

Ao anatin’ny fanatanterahana ny Madagasikara Amperin’asa (MAP), dia voninahitra sy fifaliana ho an’ny Masoivohon’ny Repoblikan’i Madagasikara ao Alemaina ny manasa ny Malagasy monina ao sy amin'ireo firenena manodidina (Scandinavie, Autriche, Belgique, Luxembourg, Hollande, France, Italie, sns) hanatrika ny fihaonana karakarainy miaraka amin’ny Wittenberg Center for Global Ethics, izay hatao ao Lutherstadt Wittenberg ny Zoma 10 sy Asabotsy 11 Oktobra 2008 ho avy izao.

Ny fihaonana dia haompana amin’izay ho anjara birikin’ny Malagasy am-pielezana amin’ny Fampandrosoana ny tanindrazana iombonana. 

Ity fihaonana ity dia iarahantsika amin’ny:
  - ireo teratany am-pielezana avy amin’ny firenen-kafa izay nanao toy izany ho an’ny fireneny avy (Afrika, Azia);

  - sehatr’asa alemana manampy ireo teratany mody any amin’ny fireneny;
  - solontenan’ireo orinasa lehibe any Madagasikara mitady mpiasa Malagasy avy aty an-dafy.

Araka izany dia hisy vahiny avy any Madagasikara handray anjara amin’ny fihaonana.

Ny teny ampiasaina dia ny teny Anglisy, Alemana ary

Malagasy. 

Ny fisoratana anarana sy ny andinindinin’ny Fihaonana dia ho hitanao eo amin’ny tranonkalan'ny "Masoivoho  malagasy ao Alemana", na azonao anontaniana ao amin’ny Masoivohon’i Madagasikara, eto Berlin, tel: 49 33 22 23 14 0
e-mail:

info@botschaft-madagaskar.de

This e-mail address is being protected from spam bots, you need JavaScript enabled to view it

Dia misaotra anao mialoha ary mametraka ny mandrapihaona vetivety.


Ny Masoivohon'i Madagasikara