You are here

Fiaraha-miasa Madagasikara Ascoli Piceno

Nampidirin'i superadmin ny Wed, 07/05/2008 - 17:05

Ascoli-Piceno no faritra voalohany notsidihan'ny ambasadaoro malagasy vaovao, andriamatoa Razafy-Andriamihaingo Jean Pierre, izay voatendry hitantana ny masoivohontsika eto Italia iray volana mahery kely izay.

Ascoli Piceno no faritra voalohany notsidihan'ny ambasadaoro malagasy vaovao, andriamatoa Razafy-Andriamihaingo Jean Pierre, izay voatendry hitantana ny masoivohontsika eto Italia iray volana mahery kely izay.

 

Fiaraha-miasan'ny faritr'i Ascoli-Piceno sy Madagasikara eo amin'ny fambolena "jatropha" (hazo manome menaka azo ahodina ho angovo), no nodinihina tamin'io andro alarobia 30 avrily 2008 io, izay heverina fa santatra am-bavarano ihany amin'ny fiaraha-miasan'ny roa tonta fa ny manetsa be mbola ho avy.

 

 

Nanatrika izany dinika niarahan'andriamatoa ambassadaoro sy Massimo Rossi, filohan'i faritra Ascoli-Piceno, izany ihany koa ny filoha lefitry ny faritra, Emidio Mandozzi sy ny assesseur ao amin'ny "Protezione Civile", Luigi Baiocco.

 

Vaovao nalaina tao amin'ny gazety Sambenedetto Oggi .