You are here

Fihaonana sy fivavahana iraisam-pinoana.

Nampidirin'i superadmin ny Wed, 23/01/2008 - 13:17

Ny fiaraha-mivavaka iraisam-pinoana sy fifampiarahabana tratry ny Taona Vaovao 2008 fanaon'ny Malagasy eto Roma isan-taona dia hatao ny Alahady 27 janoary ao amin'ny Pontificio Collegio San Pietro Apostolo, via delle Mura Aurelie 4.

Ny fiaraha-mivavaka iraisam-pinoana sy fifampiarahabana tratry ny Taona Vaovao 2008 fanaon'ny Malagasy eto Roma isan-taona dia hatao ny Alahady 27 janoary ho avy izao. Ny toerana dia ao amin'ny "Pontificio Collegio San Pietro Apostolo", via delle Mura Aurelie 4 (ambonin'ny Gianicolo), (tsara miomana mialoha amin'ny fivezivezen'ny fiara, fa Domenica a piedi manomboka amin'ny 9 ora maraina ka hatramin'ny 5 ora hariva hoe io).Ny làlana http://maps.google.it/maps?f=q&hl=it&geocode=&time=&date=&ttype=&q=Viale...(Lazio)+(Lazio)&sll=41.008089,16.726911&sspn=3.689057,7.470703&ie=UTF8&ll=41.89592,12.459183&spn=0.014215,0.029182&z=15&iwloc=addr&om=0
 
Ny fandaharam-potoana dia toy izao :
- fahatongavana : manomboka amin'ny 10h30.
- 11 h : fanombohan'ny fiaraha-mivavaka iraisam-pinoana. Homarihina manokana amin'izany ny faha-100 taonan'ny Herinandro fiaraha-mivavaka ho an'ny Firaisam-Pinoana amin'ity taona 2008 ity ka hisy fihetsika manokana : hisy fizaràna Labozia isan'olona eo am-baravarana izay harehitra mandritra ny Fiekem-Pinoana manetriketrika ; hisy koa fizarana Valopy hanaovana RAKI-DEHIBE eo am-baravarana izay hasiana ny rakitra haterina mitsangana amin'ny fotoanany. Dia entanina ny rehetra mba hanomana fahafoizana ho fankasitrahana ny fahasoavana azontsika tamin'Andriamanitra nandritra ny taona teo sy ho fanohanana ihany koa ny adidy samihafa miandry ny fiombonantsika kristianina Malagasy amin'ity taona ity.
- 12h30 : fiaraha-misakafo sy korana. Iangaviana am-pitiavana isika rehetra mba hivimbina izay sakafo hifampizaràna araka ny efa mahazatra antsika.

 

Koa dia iangaviana mba samy hifampilaza sy hifampitaona ny reehtra, noho ny fahateren'ny fotoana nanomanana ka nahatara koa ny filazana. manantena antsika ho tonga maro