You are here

Fanasana voady.

Nampidirin'i superadmin ny Mon, 21/01/2008 - 14:14

Fanasana avy amin'i Masera Clarisse FENOZARA, ao amin'ny Fikambanan-dry Masera "Filles de Notre-Dame de l'Eucharistie".

Fikambanan-drelijiozy "Filles de Notre-Dame de l'Eucharistie", dia faly manasa anareo hanotrona ny voady farany hataon'i :
Masera Clarisse FENOZARA
mandritra ny Sorona Masina izay hotarihin'i Mgr Antonio Di Donna, eveka mpanampy ao amin'ny Diosezin'i Naples, amin'ny sabotsy 26 janoary 2008 amin'ny 11 ora maraina, ao amin'ny via Tironi di Moccia 44, Ercolano - Napoli.
-----------------------------------------------------------------------------------

Vaovao nampitain'ny Paroasy :

Aorian'ny Sorona Masina dia hisy Fiaraha-misakafo sy korana anasana ny rehetra izay ho tonga any.
Hararaotina ho karazana fitsangatsanganana miaraka koa ny fotoan-dehibe toy izao ka anentanana ny rehetra hisoratra anarana fa hisy Fiarabe (Pullman) halaina (amin'ny saran-dàlana tena mirary) hitondra antsika rehetra miaraka.
Ny andinindinin'izany dia mbola ho hitantsika tsy ho ela eto ihany, fa ny fisoratana anarana dia efa azo atao amin'i :
Père Patrick : tel 3200425775 na phajanirina@yahoo.fr.
Misaotra mialoha ary mifampilazà...