You are here

Lamesa 25/11/07. Fanasana voady sy fanoloran-tena.

Nampidirin'i superadmin ny Mon, 19/11/2007 - 12:14

Ireto misy fanasana voadin-drelijiozy sy fanoloran-tena ampitaina ampifaliana amintsika eto.
Hamafisina ihany koa ny lamesa amin'ny 25 novambra.

Ny paroasy katolika Victoire Rasoamanarivo dia mampahatsiahy fa ny fotoam-pivavahana sy fihaonana manaraka dia amin'ny 25 novambra 2007 saingy eny amin'ny Masera Figlie della Sapienza, via dei Casali di Torrevecchia, 16 hanomboka amin'ny 10 ora sy sasany, fa tsy ao amin'ny chapelle San Macuto toy ny mahazatra akory. Marihina fa hiarahana manolotra amin'ny Raiamandreny Card. Razafindratandra, izay handalo eto an-toerana amin'io fotoana io izany lamesa sy fiarahana izany.

Araka ny tapaka dia ry masera tompontrano no hanokona ny vary ary isika rehetra kosa dia samy hivatsy ny laoka sy ny fanampiny izay hiarahana mifampizara amin'io andro io.

Misaotra indrindra.

(Ny zotra 916, 49 ary 46 no mandalo eny amin'ny via Casale di Torrevecchia)

Jereo eto ny làlana

 

 

Dia indreto misy fanasana nampitaina taminay :

 

FANASANA 1 : Alarobia 21 novambra 2007

Voady farany Masera Adéline RAHOLIARIMANANA

Jereo eto ny fanasana

FANASANA 2 : asabotsy 8 desambra 2007

Fanamasinana ho diakra an'i Frera Modeste RABEMANANTSOA

Jereo eto ny fanasana

 

FANASANA 3 : Zoma 14 desambra 2007

fanolorantena mandrakizay ataon'i Frera Sandy RAJAONARISON

Jereo eto ny fanasana