You are here

Fanamboarana Passeport Biométrique

Nampidirin'i superadmin ny Tue, 25/09/2007 - 15:45
Ilazana ny tera-tany malagasy rehetra izay manana "passeport" malagasy na olon-dehibe na ankizy monina sy mipetraka eto Italia mba hisoratra anarana ato amin'ny Ambassady, alohan'ny 04 Oktobra 2007 ( varavarana laharana faha-5), mba ahafahana manomana ny fikarakarana ny "Passeport Biométrique".
Na koa hiantso ny telephone : 06 36 30 77 97 , na FAX 06 39 94 306, na hanoratra aty amin'ny Ambassady, mba hanome ny anarana, adiresy, numero passeport, numeros telephone.
Iangaviana izay mahare sy mahita izao filazana izao mba hampandre ny namana sy tapaka rehetra.
Misaotra Tompoko!
Roma, faha 24 Septambra 2007