You are here

Fondi ho an'Afrika

Nampidirin'i superadmin ny Tue, 11/09/2007 - 12:55

Ny Fikambanana Tetezana onlus dia manolotra fisaorana mitafotafo ireo mpiray tanindrazana rehetra nanotrona azy tamin’ity hetsika Fondi d'Africa ity



    Nandray anjara tamin’ny hetsika nandritra ny efatra andro nokaraikarain’ny tanànan’i Fondi ho an’ Afrika, nitondra ny lohahevitra hoe “Fondi d’Africa” i Madagasikara, tamin’ny 30 sy 31 aogositra ary ny 1 sy 2 septambra teo.  


Nanintona ny mponin’i Fondi sy ireo mpizaha-tany  maro tamin’izany ireo fampisehoana sary sy horonan-tsary momba an’i Afrika ary ireo rindran-kira nataon’ny tarika italiana sy afrikana.

Maro ireo manam-pahefana - na avy tamin’ny fitondrana italiana na avy eo amin’ny faritra manodidina - nandray anjara mavitrika tamin’ity fihetsiketsehana novolavolain’i Carmen Lasorella ity : tao ny Ben’ny tanànan’i Fondi, Luigi Parisella , ny lefitry ny ministry ny raharaham-bahiny italiana, Patrizia Sentinelli sy Jean-Léonard Touadi, ary ireo fikambanana isan-karazany misahana ny fampivoarana any amin’ny firenena afrikana.

Ny “Centro Policulturale Baobab” avy eto Roma kosa no  nikarakara ny rindran-kira sy ny fampahafantarana momba ny sakafo sy  taozavatra avy amin’ireo firenena afrikana. 

Ny Fikambanana Tetezana onlus dia nampiranty ny anjaran-toerantsika malagasy tamin’ireo taozavatra isan-karazany (vita rofia sy tandrok’omby, ny zafimaniry, ny vatosoa,...) ary nirehareha koa nampanandrana ireo vahiny ireo sakafontsika toy ny nem, sambosa,  lasary ary mofo anana.

Fotoana ihany koa nampahafantarana  tamin’ireo olona marobe tonga momba ny  Fikambanana : ny tanjona sy ny tetik’asa “Mamme-In Formazione” izay efa nanomboka ny 9 jolay ary tantanan'ny Filohan'ny fikambanana Geneviève Soaritony any Ambanja (Madagasikara) miaraka amin’ny mpitsabo iray italiana, Carmela de Lorenzo sy ny zanany vavy izay nanolontena maimaim-poana nisahana ny lafiny ara-pahasalamana sy ara-pahadiovana.

Tao moa ireo sary isan-karazany nentina nanazavana izany, izay mahalaza betsaka noho ny kabary, sy mampiseho ny  tena ampiasana ireo vola izay ezahin’ny Fikambanana angonina ka mahatonga ny fanampian’ireo malala-tànana amin’ny fanomezana malalaka na amin’ny fividianana ireo asa-tànana malagasy. 

 

Ankoatra ireo dia nararaotina koa ity fotoana ity nampahafantarana ireo ezaka natao sy mbola hataon’ny Fikambanana, toy ny fialan-tsasatra teny Frosinone, nokarakarainy niaraka tamin’ny “Regione Lazio”, ho an’ireo ankizy malagasy monina eto Italia, izay natao indrindra indrindra hampahafantarana bebe kokoa an’ireo ankizy ny momba ny fireneny sy ny hikoloany sy hitiavany ny kolotsainy. 

 

Isan’ny ezaka ataon’ny Fikambanana Tetezana ihany koa ny mampahafantatra amin’ireo vahiny ny Nosintsika, tsy amin’ny lafiny ara-kolotsaina sy ara-tantara fotsiny ihany, fa eo amin’ny fizahantany ihany koa, ka miezaka ny Fikambanana manome toro-hevitra ho an’ireo izay maniry hitsidika an’i Madagasikara momba ireo toerana tsy mbola be mpahafantatra sy mpanoro nefa mendrika ho tsidihina. 

Eto moa dia manolotra fisaorana mitafotafo ireo namana sy tapaka rehetra nanotrona azy tamin’ity hetsika ity ny Fikambanana Tetezana, indrindra ireo mpiray tanindrazana  izay tena nahandro nahamasaka tokoa ka nahafahana nanatanteraka antsakany sy andavany izany fikarakarana rehetra izany. Isaorana ihany koa ireo namana avy any Naples nanome tànana tokoa ny asabotsy 1 septambra.

Ireo sary vitsivitsy tamin'izany