You are here

Vatsim-pianarana atolotry ny

Nampidirin'i superadmin ny Thu, 30/08/2007 - 15:20

Nahavoaray hafatra avy any amin'ny Ambassade Malagasy eto Italia izahay momba ny fisian'ny Vatsim-pianarana (Bourse d'Etudes) atolotry ny "Istituto Europeo del Restauro" ka toa izao ny momba izany.

Ny sandan'ny vatsim-pianarana atolotra dia eo amin'ny 7.200 Euro eo ho eo

Ny mpianatra horaisina dia:

  • Mizaka ny zom-pirenena Italiana na vahiny
  • 19 - 27 taona
  • Diplaoma Bacc farafahakeliny
  • Afaka mahazo sy manoratra ary miteny Italiana

Mila alefa alohan'ny 15 Septembre 2007 izao amin'ny alalan'ny Taratasy Rekomandé ny fangatahana ao amin'ny

Uff. Segreteria dell'Istituto Europeo del Restauro.
Castello Aragonese - 80077
Ischia (NA)
Italia

Ny antotantaratasy ilaina ankoatra ny fangatahana dia

  1. Fanamarinam-ponenana (any madagasikara raha toa ka tsy Italiana)
  2. Fanamarinam-pahaterahana (Bulletin de Naissance)
  3. Fanamarinana ny diplaoma
  4. Taratasy ara-pahasalamana manamarina fa salama tsara
  5. Sary tapaka 3
  6. CV (Curriculum Vitae)

Marihina fa ny saram-pianarana ihany no tafiditra amin'io vatsim-pianarana io. Ny mpianatra no miantoka ny fiainany rehetra.

Tsindrio ny sary eto ambany raha te hijery ny hafatra amin'ny teny Italiana.

Tsindrio eto raha hijery ny dikanteny amin'ny teny Frantsay