You are here

Fihaonam-ben’ny Ray Masina amin’ny Tanora

Nampidirin'i superadmin ny Tue, 13/03/2007 - 14:01

Eo am-piatrehana ny Paka, ny Ray Masina, Bénoit XVI, dia hihaona amin’ireo Tanora rehetra eto amin’ny Diosezin’i Roma mialoha ny Alahadin’ny Sampan-kazo.

Ity fihaonana faharoan’ny Ray Masina amin’ny Tanorany ity dia hanana endrika Litorjia Fivalozana (Liturgia penitenziale) ka hatao ao amin’ny Basilikan’i Md Piera ny alakamisy 29 marsa 2007, manomboka amin’ny 17.30.

Izany moa dia mifandray amin’ny sori-dàlana fiomanana amin’ny Andro Iraisam-pirenena ho an’ny Tanora faha XXII, izay hankalazaina amin’ny Fiangonana rehetra maneran-tany amin’ny Alahadin’ny Sampan-kazo ka mifototra indrindra amin’ny hevi-dehibe hoe : “Mifankatiava ianareo, toy ny nitiavako anareo”, Joany, 13, 34 .

Ny tanora malagasy dia entanina sy asaina tokoa handray anjara amin’ireo fihaonana ireo, satria moa ny Fiangonantsika, ny Paroasy Victoire Rasoamanarivo, dia isan’ny efa mitsangana eo anivon’ny Diosezin’i Roma.

Izay manam-paniriana hamonjy izany dia afaka miantso na manoratra amin’i Père Paul Louis, izay mpiandraikitra mivantana ny Fiangonantsika , maka ny tapakila hahafahana miditra:

Père Paul Louis Rafanomezantsoa : 339-8593929.

Marihina fa maimaim-poana ny famonjena ireo andro ireo saingy noho ny fandaminana no antony hakana ilay tapakila fidirana.