Fanasana ho an'ny Malagasy noho ny fanosorana ho diakra an'i Fr. Jean-Marie amin'ny 27 Mey 2006.
FANASANA
FANAMASINANA HO DIAKRA
“...Ianareo samy ianareo koa dia tsy maintsy
hifanasa tongotra”
“Jo 13,14b)
Ho an’ny tapaka sy namana rehetra
Miombona amin’ny Fikambanana “Misionera Montfortana” maneran-tany
tarihin’i Mompera Jeneraly, Santino BREMBILLA,
ny lehiben’ny Délégation Générale any Madagasikara,
Mompera Orazio ROSSI,
ny fianakavian’ny hohamasinina,
Izahay ato amin’ny Communauté “Studentato monfortano” Via Prenestina -Roma,
dia faly manasa anareo hiombom-bavaka aminay
amin’ny fametrahan-tànan’i S.E. Mgr. Rino FISICHELLA
Ho fanamasinana ho diakra an’ny rahalahinay:
RAKOTONDRAVAO Jean Marie Helpa smm
Izay hatao ny Sabotsy 27 Mey 2006 amin’ny 4 ora sy 30mn tolakandro
Ao amin’ny Fiangonana Md Louis Marie Grignion de Montfort.
Mankasitraka amin’ny fanotronanareo sy ny fiombonanareo vavaka aminay.
FANAMARIHANA :
* Mangataka ry zareo ny handraisantsika Malagasy an-tànana ny hira fanolorana toy ny tamin’ny Voady farany, satria tena ankafizin-dry zareo be hono ilay izy Koa ny hira ataontsika izany dia : voninahitra, fiadanana (araka ny efa nambara teo aloha) fa tian-dry zareo raha ataontsika ny hira fitondrana fanatitra fa ry zareo no manao ny aleloia. Ny vakiteny dia ny vakiteny voalohany.
*Aorian’ny fankalazana dia hisy ny fiaraha-mifaly amin’ny fifampizarana toy ny mahazatra.
Mankasitraka, mankatelina anareo rehetra mikarakara fatratra, ela velona ao amin’i Kristy Tompontsika.
Ny rahalahy Jean Marie Helpa RAKOTONDRAVAO smm