You are here

Mandria am-piadanana P. Paul-Louis

Nampidirin'i superadmin ny Thu, 06/09/2007 - 15:51

Nahavita be tokoa teo amin’ny sahan’ny Tompo i mompera Paul Louis Rafanomezantsoa, raha araka ireo tantaram-piainany nambara omaly 4 sy androany 5 septambra , sy raha ireo olona maro avy amin’ny lafy valo tonga naneho ny firaiketam-pony taminy tamin’izao nahalasanany izao.

Henin-kaja ny fianakaviany, henim-boninahitra ny Fianakaviamben’ny pretra zezoita, ary afaka mirehareha isika Malagasy manana azy.

Izany angamba sisa no azo lazaina amin’izao fotoana namelany banga lehibe eo amin’ny Fiangonana katolika malagasy izao, eo amin’ny Fikambanana misy azy, ary eo amin’ny fianakaviana nipoirany.

Tsaroana ihany ilay vazivazy fanaony rehefa mifanotrona ny Malagasy raha misy fanamasinana ho pretra na voadin-relijiozy, ka hilazany fa tsy mba miafina isika rehefa amin’ny fotoana toa ireny, ary na telo fotsiny aza izahay hoy izy dia ataonay mahalala ny anaranay mihitsy. Ka angamba tokoa dia nitsiky sy nirehareha izy nahita antsika rehetra vory maro, na Malagasy na hafa firenena, na relijiozy na laika, na katolika na hafa finoana, nahafoy fotoana - na ny talata hariva tamin’ilay fanompoam-pivavahana, na ny alarobia maraina raha nanao veloma farany azy sy nanatitra azy teny amin’ny fonenany mandrakizay eo anivon’ireo rahalahiny efa nialoha làlana azy – ary mbola nitondra koa fao-dranomaso ho an’ny fianakaviana, fa dia nataontsika nahalala ny anarantsika tokoa izay nanatrika.

Isaorana hatrany izany firaisan-kinantsika izany, ary irariana mba hitohy ny ezaka efa natombony eo amin’ny Paroasy Victoire Rasoamanarivo izay vao herintaona nitsanganana fotsiny dia nilaozan’ny angady nananana azy.

Ary izahay mpiandraikitra ity toerana ity dia mbola mamerina ny fiarahanay miory sy mankahery ny fianakaviany manontolo sy ny Fianakaviamben’ny Zezoita nilaozany.

Handry am-piadanana anie izy !

Fanamarihana kely : io labozia mena mirehitra io dia labozia nalefan’ny Fivondronan’ny Eveka Malagasy manokana avy any Madagasikara, ho solontenan’izy ireo sy ny vahoaka kristiana malagasy, ho fiombonantsika am-panahy amin’izao nandaozan’i mompera Paul Louis antsika izao.

Azo jerena ao amin'ny tahirintsary ny sary nalaina nandritra ny fotoana rehetra

Rondro
Rohy hafa