You are here

Fanamafisana fankalazana ny fetim-pirenena eto Roma

Nampidirin'i superadmin ny Wed, 27/06/2007 - 10:51

Araka ny efa voalaza dia hankalazaina amin'ny asabotsy 30 jiona, hanomboka amin'ny 7 ora hariva (19h) ao amin'ny Ambassade de Madagascar eto Roma, via Riccardo Zandonai, 84 ny fetim-pirenena malagasy.
Ny Malagasy rehetra tsy an-kanavaka, ombam-pianakaviana dia asaina avokoa, ka aoka hifampilaza daholo. Ho an'ireo izay mila fanasana an-taratasy noho ny antony samihafa (angatahana fahafahana mivoaka amin'ny Lehibe), dia afaka mangataka izany ao amin'ny ambassade.

Ny alahady 1 jolay amin'ny 4 ora tolakandro (16h) kosa dia hisy ny fivavahana iraisam-pinoana ho fangataham-pitahiana ho an'ny firenena, izay hatao ao amin'ny Chapelle San Macuto (fa tsy eny Aurelia intsony), via del Seminario 120. Manantena ny fahatongavantsika maro.

Misaotra tompoko.