You are here

Tatitry ny fahatsiarovana ny 29 Marsa

Nampidirin'i superadmin ny Tue, 03/04/2007 - 09:12

Tontosa an-tsakany sy an-davany ny fankalazana ny faha-enimpolo taona nitrangan’ny raharaha 29 martsa 1947 teto Roma, tamin’ny alalan’ny fotoam-pivavahana iraisam-pinoana.

Andriamatoa Sambiheviny, Loholona faharoa ao amin’ny Masoivohom-pirenentsika, no nanokatra ny fotoana tamin’ny fanazavana fohy fa nafonja momba ny zava-nitranga tamin’io fotoana io tany amin’ny faritra atsinanan’ny Nosy , ary nampatsiahy fa tsy izay ihany no tsaroana sy ankalazaina isaky ny 29 martsa fa ny tolona rehetra nataon’ireo tia tanindrazana sy ny rà latsaka nentina nitakiana ny Fahaleovantena malagasy raha mbola nozanahin’ny Frantsay isika na tamin’ny andron’ny Menalamba sy ny Vy Vato Sakelika izany, na tamin’ny andron’ny MDRM tamin’ny 1947 sy izay nitranga taorian’izany.

Ny Fotoam-pivavahana moa dia notarihin’ny tompon’andraikitra iray avy, avy amin’ny Fiangonana protestanta sy ny paroasy katolika eto Roma. Ny rakitra natao kosa, izay teo amin’ny 200 € teo ho eo, dia natolotra ny mpiandraikitra ny Fitantanam-bola ao amin’ny Masoivoho ho fandraisana anjara amin’ny fanampiana ny traboina ny any an-tanindrazana nandritra ireo rivo-doza nifanesy nandrava faritra maromaro any Madagasikara.

Andriamatoa Paraina, lehiben’ny Masoivoho kosa rehefa izany, dia mbola niarahaba ny Malagasy sy nisaotra ireo tafavory. Teo koa no mbola nanaovany antso avo, fa ireo izay mbola manam-piniavana hitondra ny anjara birikiny ho an’ireo traboina, dia mbola afaka mandalo eny amin’ny foiben’ny masoivoho mandrotsaka izay foiny ao anatin’ilay vatan-drakitra manan-tantara, izay efa nampiasaina tamin’ny alin’ny 31 desambra nandraisana ny taona 2007.

Nisy fiaraha-miala hetaheta taorian’izany, izay natolotry ny fikambanana manao asa soa vao niforona tsy ela : ny “TETEZANAonlus”, ka Andriamatoa Sambiheviny, izay misahana ihany koa ny momba ny lafiny ara-kolotsaina – eo am-piandrasana ny tompon’andraikitra tompon-toerana – no nampahanfantatra ny mombamomba azy io tamin’ny fomba ofisialy tamintsika Malagasy eto Italia. Izay liana te-hahalala bebe kokoa dia afaka mitsidika ny www.tetezanaonlus.org

Ny sary vitsivitsy nalaina tamin’io araka ny mahazatra dia hitantsika ao amin’ny tahirintsary.

Fampatsiahivana farany : ny lamesa katolika fankalazana ny Paka dia tsy hatao eny amin’ny toerana mahazatra, fa eny amin’ny Istituto Teologico Don Orione, via Massimi 164 amin’ny 11 ora maraina.

Rondro