You are here

25 jiona: Fanamafisana

Nampidirin'i superadmin ny Thu, 22/06/2006 - 08:09

Faly miarahaba antsika mianakavy.

Hamafisinay etoana àry ny fanentanana antsika Malagasy rehetra tsy ankanavaka, na iza izy, na aiza ipetrahany, na inona antokom-pinoany, hanao rodobe eny amin'ny Collegio San Paolo ny
Alahady 25 Jiona ho avy izao, amin'ny 10 ora sy 15 mn; fotoana hanambaràna amin'ny fomba ofisialy ny fisian'ny Aomoneria Malagasy eto Italia, sy hanatontosantsika ny fiaraha-mivavaka ho an'ny Tanindrazana (manamarika ny 26 Jiona).

Aza hadino ary ny mitondra sakafo araka ny efa fanaontsika iny, ka
tsy ho hanim-pitoloha koa fa dia ho hanim-pitopolofitoloha no hiarahantsika mihinana.

Omano koa ny fandraisana anjara amin'ny sahoby hanohizantsika ny fotoana, izay hifarana amin'ny 5 ora tolakandro.

Mirary soa,

hoy ny Birao.

Hafatra nalaina avy tao amin'ny
http://fr.groups.yahoo.com/group/seraseraIT/message/47