You are here

Zato taona mahery velomina amin'ny tsakarano

Nampidirin'i superadmin ny Thu, 22/06/2006 - 11:18

Vehivavy milomano ao anatin'ny fahasahiranana tanteraka Razafinala. Zato taona mahery izy amin'izao fotoana izao ary mbola velona. Zaitra no nivelomany taloha raha miankina amin'ireo taranany izay mivelona amin'ny fantsakana izy amin'izao fahanterany izao.

Vehivavy milomano ao anatin'ny fahasahiranana tanteraka Razafinala. Zato taona mahery izy amin'izao fotoana izao ary mbola velona. Zaitra no nivelomany taloha raha miankina amin'ireo taranany izay mivelona amin'ny fantsakana izy amin'izao fahanterany izao. Manao izay ho afany ihany anefa ireo zaza natsangany mba ihinanany laoka foana isan'andro, na izany aza.

Faniriana ny ho ela velona saingy vitsy no maharitra zato taona mahery. Any anaty fiaraha-monina any anefa, tsy lavitra fa eto an-drenivohitra dia misy vehivavy iray milomano ao anatin'ny sangondim-piainana ary afaka maharitra an-jato taona. Izy no Razafinala ary araka ny filazany dia «tsy tsaroany ny fanoratana ny daty nahaterahany tamin'ny fotoan'androny». Na izany aza dia eo amin'ny taona (vers) 1903 eo no nahaterahany araka ny voasoratra ao amin'ny karapanondrony.
Mpanjaitra no asa fiveloman'i Razafinala taloha. Ankehitriny, mbola velon'aina soa aman-tsara izy saingy misedra ny mafy. «Mbola afaka mihinana izay tiany bebe fa izahay no mametra ny sakafony noho izy efa antitra», hoy Rahasimbola Nirina Jeanine, vinantony avy amin'ny zafikeliny. Tahaka ny mitaiza zaza no itondrana an'i bebe ao an-tokantranony. «Noho izy tsy afaka mitsangana irery intsony dia tsy maintsy bataina isaky ny hifindra toerana. Tena olana anefa fa tsy azo entina ety an-tokotany mihitsy izy satria mikisaka eran’ny tokotany no ataony raha tsy misy miandry», hoy ihany ny vinantony.
Ny andavanandrom-piainan’i Razafinala indray : «Vao maraina dia fohazina bebe vao mifoha. Omena mofo sy dite izy dia mihinana tsara. Mialoha an’izay anefa, isaky ny omena sakafo bebe dia raisiny amin’ny tanany roa na vary izany na zavatra hafa dia asandrany ambony izany ka misaotra sy miantso ny anaran’Andriamanitra izy».
«Avy misakafo maraina izy dia apetraka. Rehefa leo mipetraka izy dia ampatoriana indray. Tonga ny amin’ny 12 ora antoandro dia omena vary sy laoka bebe. Tsy manaiky mihitsy izy raha tsy omena ny tanany roa ny laoka, satria tsy mahita ny masony, izany hoe tsy maintsy mivaingana no atao laokany. Malahelo mafy izy raha toa ka kely izany. Mitomany mihitsy aza izy raha tsapany fa lany ny eo am-biliany».

«Aorian’izay dia korontanin’i bebe daholo ny lamba sy ny entana izay akaiky azy. Raha vao miteny azy amin’izany ianao dia hoy izy hoe, rehefa tsy tianareo aho dia vonoy ho faty. Resahinay moa izy hoe tsy afaka ny hanao izany izahay fa samy mandeha amin’ny anjarany ny tsirairay dia mitomany indray izy raha mahare izany», hoy ihany ny vinantony.
Ankoatra ireo moa dia fialambolin’i bebe ny miantsoantso ny anaran’ireo ankizy ao an-trano. «Indraindray dia miteniteny foana izy ary tsikaritray fa noho ny maha antitra azy no mahatonga azy hanao io fihetsika io. Rehefa mampirina ny lambany ao anaty valizy ihany koa aho, hoy ny zanany dia lazainy fa andeha amidiko hono ny akanjony. Malahelo indray izy noho izany dia tsy maintsy ajanona fa rehefa matory izy vao ampirimina daholo ny trano sy izay nakorontany».
«Aorian’ny sakafo dia tsy maintsy omena tsindrin-tsakafo bebe satria efa nahazatra azy hatramin’izay izany. Matetika voasary no haniny raha izay irina kosa no laoka vidina. Hatramin’izay mihitsy izy no efa mankafy foza, trondro na patsa. Tsy omena azy anefa izany satria tezitra izy raha esorina ny taolany kanefa izy tsy afaka manala izany», hoy Rakotomavo Philomène (Raflao), zanany natsangany.

«Izay omena azy rehefa mantsaka dia ifaliany»
Ao anatin’izany fiainana rehetra izany no misy an’i Raflao izay miara-mipetraka amin’i bebe. «Mantsaka ranon’olona no mba fidirambolako. Tsy mahay mamaky teny sy manoratra aho afa tsy ny anarako ihany. Zaza natsangan’i bebe aho satria tsy niteraka izy. Telo izay no mpiray tampo amin’izany ka ny roa efa manambady avokoa fa izaho no nijanona amin’izao. Ny rainay no niteny tamiko hoe : aza manambady ianao raha tsy maty ny reninareo. Najaiko izay teniny izay hatramin’izao kanefa aiza intsony!», hoy Raflao.
Mbola eo ho eo ihany koa (vers) ny taona nahaterahan’i Raflao satria mety tany amin’ny taona 1920 tany araka ny filazany izy no teraka. Tapitra fotsy avokoa ny volony rehetra, ny vatany efa osa saingy mahagaga fa mbola mahavita mitondra siny mahazaka 10 litatra eo izy. «Tsy mahafantatra lanjam-bola aho fa izay omen’ny olona ahy dia raisiko», hoy Raflao. Miala maraina anefa izy dia mandalo kely ao an-tranony ny antoandro dia lasa indray ka tsy mody raha tsy hariva, mantsaka rano no ataony amin’izany.

Onena ny fo fa eto an-drenivohitra no misy olona miaina tahaka izany. Tsy vitan’izay fa mofo gasy roa sy kafe kely no vidiny rehefa mahazo vola izy, ariary zato ireo araka ny voalazany ary vary amin’anana 200 ariary kosa rehefa antoandro ataony sakafo anelanelam-potoana. «Rehefa omen’olona ny karamako aho dia angoniko aloha zay vao ividianako ireo zavatra mba fihinako ireo. Na be ireo na kely ireo dia izay izany no mba vidin’ny hatsembohako dia faly aho», hoy Raflao.
«Ny mampalahelo, eo anatrehan’ny zavatra sahala amin’izany dia misy ireo izay mifaly. Indraindray dia ataon’ny olona fiomehezana Raflao satria asain’ny olona misafidy izy na vola ariary zato madio na roanjato ariary maloto dia ilay madio no alainy. Atao ahoana anefa fa izay no fantany», hoy Jeanine.

Etsy andaniny, Raflao no mba andry ianteheran’i Razafinala. «Tsy afaka manao inona azy aho fa raha tsy teo ny hofantrano dimy alina ariary isam-bolana raisinay dia tsy fantatro izay niafaranay sy ramatoabe. Ny vola azoko amin'ny fantsakana rahateo tsy hita ho antenaina, tsy hita hafoy. Na izany aza, raha kajiana dia eo amin’ny 1600 ariary isan’andro eo izany no volanay kanefa tsy izahay mianaka ihany fa 9 mianaka izahay no miankina amin’io vola io», hoy Raflao.
Ny an’ny bebe indray dia tsy misaraka eny an-tananany ny tongobolony. Ady tsy vita io raha vao lany ny paraky ao anatiny, hoy ireo zanany. Tsy hadinony fa eo ambavany mandrakariva ny hoe : «Midera anao aho Andriamanitra». Teo am-pamaranana dia nalahelo ihany ny vinantony raha mahita ny fiainan’i renibeny. «Malahelo azy aho satria mijaly loatra izy. Jereo fotsiny ohatra indraindray dia lazainy fa tsy hita ny lambany. Noho ny masony tsy mahita intsony anefa dia tsy hitany ilay lamba na dia eo akaikiny eo ihany aza. Mandady izy avy eo dia misitrika hatrany ambany fandriana mikaroka ilay lamba. Ampahany ihany amin’ny fijaliany izany satria izahay rahateo tsy afaka hiandry azy eo foana», hoy Jeannine.
«Raha ho ahy manokana aloha, hoy ihany ity vinantony, raha asaina misafidy aho dia aleoko ihany mbola matanjaka no maty satria tena mampalahelo ahy ny mahita an’i bebe. Samy mandeha amin’ny anjarany avy anefa ny tsirairay ka tsy anjarako ny hametra ny androny», hoy izy. Ny an’i Raflao indray dia «tsy hanambady intsony aho, na rahatrizay ka maty aza bebe», hoy izy teo am-pamaranana.

Par : Ranaivoson Faniry in

[b]http://www.hebdomada.com/[/b]index.php 22/06/2006