You are here

Miaiky ny «Ody sida» gasy ny teratany vahiny

Nampidirin'i superadmin ny Fri, 02/12/2005 - 11:55

Tsy ho zava-baovao velively amin’ny mpamaky ny fandrenesana sy ny filazana fa “ hain’Ingahy ZARANAINA ny manasitrana ny areti-mandoza SIDA”.Tsy fampahafantarana fotsiny fa fanamby mihitsy no efa napetrany fa azo ampidirana VIH ny tenany , hanaovana fanandramana, dia tsaboina amin’ny alalan’ilay fanafody, ka raha sitrana izy, dia eken’ny fanjakana ny fahamarinan’io fikarohana io. Tsy nanaiky anefa ny Minisitera fa natao ankilabao ilay fikarohana sy io soso-kevitra io, ary tsy najanona tamin’ny tsy fanekena fa dia nakana fanamarinana avy any amin’ny firenena lehibe fa “mampisy voka-dratsy eo amin’ny fahasalamana “ io fanafody resahana, na ilay ravi-kazo no marimarina kokoa.
Tsy izay no tian-kambara fa ny fivoaran’ny fikarohana sy ny porofon’ilay fanandramana. Re ary izao fa nasain’ireo firenen-dehibe hanao fanaporofoana tany aminy Ingahy ZARANAINA sy ny ekipa miaraka aminy tamin’ity volana hamaraparana ny taona ity. Firenena izay efa misy mamoy fo amin’ny fiandrasana fahafatesana, vokatry ny fitondrana ity aretina ity. Tsy nihambahamba tokoa ,na ny nasaina na ny mpanasa, fa vonona handray vokatra. Ny hazo voa-janahary izay betsaka ao amin’ny “Tandavan’alan’i Fianarantsoa manome toky rahateo, satria ravi-kazo maniry ao ihany no akana azy “ io fanafody tsiriritin’izao tontolo izao io.
Maro koa ireo maneho ady hevitra mba hampifanitsiana ny hevitry ny Filoha amin’ny fampitomboana ny zava-mainiry mahasoa sy ny fambolena ilay hazo mahasitrana ny Aretina SIDA. Ary hanokafana toerana ho an’ny vahiny, izay sady hahasoa ny “fizahan-tany” no hampalaza antsika amin’ity fahombiazan’ny fikarohana ity.
Koa tsy ho resahana lava intsony izay fa ho avy eto Madagasikara ZARANAINA, rehefa avy nitondra avo ny Maha-MALAGASY tany ivelany tany, amin’io voalohandohan’ny Desambra io, fa avelatsika izy tenany no hiresaka izany sy ny voan-dàlana hentiny.

Article publié le : Jeudi 01 Décembre 2005 in [b]http://www.madagascar-tribune.com[/b]