You are here

Niombom-bavaka tamin'ny Katolika Malagasy ny teto Italia

Nampidirin'i superadmin ny Fri, 15/01/2010 - 20:11

Ny alakamisy 14 janoary teo dia niombom-bavaka tamin'ny Katolika Malagasy any Madagasikara koa ny Paroasy Victoire Rasoamanarivo teto Roma nandritra ny lamesa fangataham-pitahiana ho an'i Kardinaly Razafindratandra Armand Gaetan. Notsaroana tamin'izany ny hafatrafatry ny Kardinaly amin'ny hivavahana mafy mba hananganana ho olomasina an'i Victoire Rasoamanarivo vavolombelon'ny finoana. Ny Aumonier P. Joseph Rabenirina no nitarika ny lamesa notronin'ireo pretra malagasy sy i Don PierPaolo, mpiandraikitra mivantana ireo "Comunità Cattolica Etnica" ao amin'ny vikarià romana. Isan'ny nanotrona tao koa i Mgr Francisco Blasco Collaço, nonce apostolique efa niasa tany Madagasikara sy i Fr. Meoli ao amin'ny fikambanan'ny Sainte Famille, izay frère postulateur tamin'ny fananganana ho Olontsambatra an'i Frera Rafiringa, izay samy nifandray akaiky tamin'i Kardinaly fony fahavelony.

Nandritra ny toriteny tamin'ny teny Italiana no nampatsiahivan'ny Aumonier fohifohy ny baikom-piainan'i Kardinaly hoe "Aoka mba ho iray izy rehetra" sy ny ezaka nataony hampiraisana ny mpino Malagasy teo anivon'ny FFKM. Ny fanetren-tena nananany tamin'izany asa masina izany.

Ny Katolika eto Italia moa dia anisan'ny nifandray matetika tamin'i Kardinaly satria tsy tapaka mihitsy ny fisian'ny lamesa isaky ny fandalovany eto Roma, na dia andro vitsivitsy fotsiny aza izany fandalovana izany. Ary anisan'ny ahatsiarovana azy rehefa ilay mikoràna iny dia ilay hira ampianariny sy iarahany manao amin'ny vahoaka manatrika manao hoe "Ohatran'ny tsy ho faty lahy ny aina". Raiamandreny namela mamy tokoa ny Kardinaly ka tsy ho very fotsiny ny voa nafafiny fa hamokatra zato heny.

 

 

Ny sary tamin'ny fandevenana kosa dia azo jerena ato amin'ny tahirintsary