You are here

VCD Vaovao Demi-Soleil

Nampidirin'i superadmin ny Mon, 14/02/2011 - 11:33

Namoaka raki-kira antsary vaovao mitondra ny lohateny hoe "Demi-Soleil" ny mpanakanto iray avy any Madagasikara antsoina hoe R.J na 13-1 izay andraisan'i Olga del Madagascar anjara. I Olga del Madagascar dia Malagasy avy eto Italia ka mahafaly anay ny mampahafantatra anareo ny fisian'izany VCD izany. Ho an'izay maniry hividy dia afaka miantso an'i Andry ao amin'ny Association Tetezana amin'ny tel. 3471432921 na koa amin'ny email andry@tetezanaonlus.org. Misy hira roa santionany izay atolony ho antsika, indrindra amin'ity andron'ny St. Valentin ity.