You are here

Vaovao avy amin'ny birao katolika eto Roma

Nampidirin'i superadmin ny Sun, 05/02/2006 - 14:10

1 – Faly miarahaba antsika tsirairay avy, amin’ny alalan’izao fampitana vaovao izao. Noho ny fiaraha-miasa aminay mpikambana teo amin’ny birao teo aloha sy ireo namana mpitantana vaovao dia niangaviana aho mba hampita an’izao hafatra izao ho antsika rehetra. Dia mba iangaviana torak’izany ihany koa izay rehetra mandre na mahazo an’izao vaovao-mail izao mba hampitapita ny tsara ho fantatra amin’ireo tapaka sy namantsika rehetra.
2 – Mbola mitohy hatrany ny lamesa izay fanao isaky ny alahady faharoan’ny volana; ka ny amin’ity volana ity dia hotantarehina ny alahady faha 12 febroary ho avy izao, ao amin’ny Chapelle C. Bellarmino eny amin’ny S. Zezoita, Via del Seminario 120, (akaiky ny Panthéon). Dia manantena ny handraisantsika anjara mavitrika amin’io satria fotoana tsara mba handrenesantsika ny toromarika momba ny fihaonana amin’ny manaraka, sady mba efa maromaro koa angamba amin’io fotoana io no efa mahavita ny examens sns !
3 – Ho tonga eto Roma ny Ray aman-dreny Kardinal Armand Gaetan Razafindratandra. Efa fantantsika rehetra fa tonga amin’ny fotoana hakany sasatra koa izy izao, ka tsy mandino antsika amin’izao fandalovany izao; ary maro amintsika koa ny mba te hitafa aminy... Koa ho araraontintsika àry ny fotoana fa amin’ny 26 febroary ho avy izao. Noho izany dia miantso antsika Malagasy rehetra mba hiara-mivavaka sy hiara-kisaotra an’Andriamanitra amin’ny alalan’ny Sorona Masina izay hotarihiny amin’io alahady faha 26 febroary 2006 ho avy io, amin’ny 2 ora sy 30mn tolakandro (amin’ny roa ora sy sasany). Ny toerana dia ao amin’ny Bazilika S. Sylvestre, akaikin’ny Santa Maria Maggiore.
4 – Mino sy manantena aho fa tsy maintsy mbola hisy fanampim-panazavàna ho tonga sy omena antsika satria ny adresin’ilay Bas. S. Sylvestre (Via, etc..) mbola tsy ananako fa mampita ny hafatra ihany aloha izao no atao satria ny fotoana mandeha dia mandeha ka raha maheno aloloha isika dia afaka miomana bebe kokoa. Sa ahoana hozy ianao ?
Dia mirary soa sy fahasalamana ho antsika rehetra e Amin’ny anaran’i Président Ramarosandratana Thomas J. sy ny mpiara-miasa rehetra.