You are here

Vacances 2007

Nampidirin'i superadmin ny Sat, 07/07/2007 - 22:05

Fialan-tsasatra karakarain'ny Fikambanana Tetezana Onlus miaraka amin'ny Forum delle Comunità Straniere sy ny Regione Lazio ho an'ny ankizy malagasy 6-16 taona. Hanomboka ny 1 – 15 aogositra izany any San Donato Val Cimino, Frosinone.

Vacances 2007

Hanomboka ny 1 – 15 aogositra dia hisy fialan-tsasatra karakarain'ny Fikambanana Tetezana Onlus miaraka amin'ny Forum delle Comunità Straniere sy ny Regione Lazio ho an'ny ankizy malagasy 6-16 taona. Izany dia hatao any San Donato Val Cimino, Frosinone.

Ankoatra ny lalao isan-karazany, ny filomanosana anaty dobo,... dia hisy ihany koa ny fotoana hiresahana momba an'i Madagasikara sy ny kolotsaina malagasy, izay isan'ny tanjon'ity fialan-tsasatra ity mba entina mampahafantatra izany amin'ireo ankizy malagasy lehibe aty ivelany.

Ny fandraisana anjara dia 90€ isam-pianakaviana.

Izay hisoratra anarana dia afaka manoratra amin'i Andry Rakotomavo izay hanome ireo fanazavana fanampiny : andry@tetezanaonlus.org .

Vitsivitsy ihany ny toerana ka aoka tsy dia hangataka andro loatra izay handray anjara.

Misaotra anareo.