Fialan-tsasatra karakarain'ny Fikambanana Tetezana Onlus miaraka amin'ny Forum delle Comunità Straniere sy ny Regione Lazio ho an'ny ankizy malagasy 6-16 taona. Hanomboka ny 1 – 15 aogositra izany any San Donato Val Cimino, Frosinone.
Vacances 2007
Hanomboka ny 1 – 15 aogositra dia hisy fialan-tsasatra karakarain'ny Fikambanana Tetezana Onlus miaraka amin'ny Forum delle Comunità Straniere sy ny Regione Lazio ho an'ny ankizy malagasy 6-16 taona. Izany dia hatao any San Donato Val Cimino, Frosinone.
Ankoatra ny lalao isan-karazany, ny filomanosana anaty dobo,... dia hisy ihany koa ny fotoana hiresahana momba an'i Madagasikara sy ny kolotsaina malagasy, izay isan'ny tanjon'ity fialan-tsasatra ity mba entina mampahafantatra izany amin'ireo ankizy malagasy lehibe aty ivelany.
Ny fandraisana anjara dia 90€ isam-pianakavia
Izay hisoratra anarana dia afaka manoratra amin'i Andry Rakotomavo izay hanome ireo fanazavana fanampiny : andry@tetezanao
Vitsivitsy ihany ny toerana ka aoka tsy dia hangataka andro loatra izay handray anjara.
Misaotra anareo.