You are here

Una serata si solidarietà

Nampidirin'i superadmin ny Tue, 24/04/2007 - 20:59

Ny alarobia 25 aprily 2007 amin’ny 6 ora hariva ny “1° Gala della Fisarmonica” karakarain’ny “Autocarrozzeria Saffiro Nando” ao Terni, miaraka amin'ny fikambanana Tetezana onlus.

Takarivam-piraisankina

Amin’ny alarobia 25 aprily 2007, hanomboka amin’ny 6 ora hariva,  mandritra ny fankalazana ny “1° Gala della Fisarmonica” karakarain’ny “Autocarrozzeria Saffiro Nando”, ny fikambanana Tetezana onlus  dia hampahafantatra ny tetikasany momba ny fanampiana ireo tovovavy miteraka tsy manambady any Madagasikara. Hiendrika fialamboly hanehoana indrindra firaisan-kina ity takariva ity noho izany, ka hanasana antsika rehetra.

Tsy hisy ny vidim-pidirana, fa raisina am-pitiavana kosa ny falalahan-tanan’ireo izay terem-panahy hanampy ara-bola ny tetikasa “MAMME IN – FORMAZIONE” izay kasaina hatomboka  any Ambanja amin’ny volana jolay 2007.

Ny toerana dia ao Montecastrilli (Terni)[ fivoahana E 45 amin’ny  A1 mampifandray Milan-Naples.]

 

Ho an’ireo izay  tsy handeha amin’ny fiarakodia manokana dia afaka mandray ny fiaran-dalamby mankany Terni.

 

Ny fanazavana fanampiny dia azo anontaniana amin’ny 32000632873.

 

Manolotra fisaorana feno mialoha.