You are here

Totorebiky ny Malagasy teto Roma ny 15 janoary 2006

Nampidirin'i superadmin ny Mon, 16/01/2006 - 08:46

Dia nifamory indray ny Malagasy teto Roma sy ny manodidina ny alahady 15 janoary 2006 hanao ny fifampirariantsoa mahazatra isaky ny voalohan'ny taona toa izao. Teny amin'ny Mompera Montfortains teny Via Prenestina no nanaovana izany. Nahafinaritra ny fandraisana na dia lavitra sy sarotra hita ihany aza ny toerana. Nahazo toerana lehibe nanaovana ny fotoam-pivavahana sy nisakafoanana ary nanaovana ny lanonana rehetra taorian'ny sakafo ny Malagasy.
Fotoam-pivavahana iraisam-pinoana nangataham-pitahiana sy fiadanana ho an'ny taombaovao no nanombohana ny fotoana. Taorian'izany dia niroso tamin'ny famindram-pahefana teo amin'ireo birao isan-tsokajiny. P. Thomas otronin'ireo birao vaovao indray izany no mitarika ny fivondronan'ny pretra sy relijiozy ary ny lahika voatokana amin'ity taona ity. Mme Vololona, Mme Fihamby ary M. Benja kosa no avy ao amin'ny protestanta.
Nony vita izany dia natolotra ny fiarahabana ny Raiamandreny solontenam-pirenena eto Roma dia M. l'ambassadeur Paraina Auguste mivady sy ny mpiara-miasa aminy.
Naroso sy natambatra avy eo ny sakafo izay voatsirambin'ny tanana. Sakafo malagasy.
Hitantsika ao amin'ny tahirintsary etsy ankavia ny tohin'ny korana nandritra ny tolakandro. Dihy nifampizarana hafaliana sy fifankatiavana. Dia isaorana avokoa ireo rehetra nitoto nahafotsy sy nahandro nahamasaka iny fihaonana iny.
Dia miandry ny fotoana manaraka indray isika rehetra izany.
Ary dia mbola mamerina ny firariantsoa ho an'ny rehetra tsy ankanavaka amin'izao taona vaovao izao.

Jereo eto ambany ny tahiritnsary.

[url]http://malagasy.it/?rub=pages/page&page_id=p43cacd31bcb9c[/url]