You are here

Tatitra sy fisaorana avy amin'ny fikambanana Tetezana Onlus.

Nampidirin'i superadmin ny Fri, 24/10/2008 - 09:18

Ny Fikambanana Tetezana Onlus dia manohy hatrany ny asa sosialy natombony any Madagasikara amin’ny alalan’ireo tetikasa madinika amin’ny toerana maromaro.




Ny Fikambanana Tetezana Onlus dia manohy hatrany ny asa sosialy natombony any Madagasikara amin’ny alalan’ireo tetikasa madinika amin’ny toerana maromaro.

Nandritra ny fotoana fialan-tsasatra tamin’ity taona ity dia nankany Madagasikara izahay nanome tanàna ny Filohan’ny fikambanana, Geneviève Soaritony amin’ny fanatanterahana ireo tetikasa isan-karazany :




Efa am-perinasa tanteraka ireo trano fanjairana natsangana ao Ambanja ho an’ireo tovovavy ao amin’ny tetikasa “Mamme In-Formazione”.

 

 

 




 

 

 

 

 




Ao Djangoa kosa dia eo am-panantanterahana azy ny tetikasa vaovao “Mamiko” izay misahana  indrindra ny fananganana akanin-jaza  ho an'ny zaza 2 ka hatramin’ny 6 taona tokony ho 50 eo ho eo.

 

 

 

 

 

 

 




Ankoatra ireo dia misy ihany koa adidy hafa sahanin'ny fikambanana izay noraketina ato amin'ny  tahirinkevitra ato.

Isaoranay betsaka tokoa ianareo izay efa nanohana anay hatrizay, ary tsy mitsahatra izahay manome vaovao anareo mombamomba ny asa vita sy kasaina ; ary raha mbola manana faniriana ianareo dia mbola afaka tokoa manampy anay amin’ny fandrotsahana isam-bolana latsak’emboka 5 euro fara-fahakeliny mba hahafahanay mampandroso ny akanin-jaza sy ireo tetikasa sosialy araka izay tianareo tohanana.

Fomba hanampiana anay :

Izay terem-panahy handray anjara amin’ny fanohanana ireo amin’ireto tetikasa voalaza eo ambony ireo dia afaka manao izany araka izay efany, Tsara kokoa anefa, mba hahamora ny fandaminana raha mifandray aminay mivantana na mandrotsaka izany ao amin’ny c/c postale N° 76916196.

Misaotra sy mankasitraka indrindra tompoko, ary Andriamanitra anie hanonitra avo roa heny ny soa vitanareo amin'ireo zaza amam-behivavy iadidianay ireo.

 

Andry Rakotomavo, amin'ny anaran'ny mpikambana rehetra ao amin'ny Tetezana Onlus.