You are here

Taranja Lomano : Zava-bita tsara indrindra nomontsanin'i Lorenzo Ratsimananda tamin'ny sokajy misy azy.

Nampidirin'i Rondro ny Thu, 01/07/2021 - 18:57

Taorian’ny fifanintsanana voalohany sy faharoa natao tamin’ny telo volana lasa, dia tafita tamin’ny lalao famaranana ny Campionato Regionale Estivo - Esordiente B Maschio - eo amin’ny taranja Lomano, i Tsiorintsoa Lorenzo RATSIMANANDA, 11 taona, teraka teto Roma. Tamin’ny 29 jona lasa teo, teny amin’ny Stadium Pietralata (Roma) no nanaovana izany ary fifaninanana telo no nandraisany anjara ka nandrombahany medaly 3 :

  • medaly volafotsy 2 tamin’ny 100 metri Stile Libero sy 50 metri Stile Libero (crawl).
  • medaly volamena 1 tamin’ny 50 metri Farfalla (papillon).

Ankoatra izay dia nomontsaniny ihany koa ireo zava-bita tsara indrindra efa nisy. Vitany tanatin’ny :

  • 28”70 … ny 50 metri Stile Libero,
  •  32”00 … ny 50 metri Farfalla 
  • 1’05”00 … ny 100 metri Stile Libero

Grande e #alefaLorenzo ! Mitozoa dia misondrotà avo hatrany. Izahay koa mirehareha manana anareo ankizy sy tanora mitondra avo ny anarantsika malagasy.

Ampatsiahivina fa efa nisolo tena antsika Malagasy eto Italia tany amin’ny RNS tany Lyon koa i Lorenzo sy i Harena anabaviny tamin’ny taona 2018 ary nitondra medaly 3 nody tatý izy mianadahy : alimo ny an’i Harena teo amin’ny sokajy “Jeunes” ary volafotsy sy volamena ny an’i Lorenzo teo amin’ny sokajy “Pirina” tamin’izany.