You are here

Takarivam-pikoranana karakarain'ny Tetezana Onlus

Nampidirin'i superadmin ny Fri, 14/05/2010 - 04:57

Ny Fikambanana Tetezana Onlus dia faly manasa ny rehetra amin'ilay takariva karakarain'izy ireo ny sabotsy 12 juin 2010 eny amin'ny Casa del Popolo, via Bordoni 50 (Tor Pignatara). Ny vola azo amin'izany dia entin'izy ireo hanatanteraka ireo tetikasa sahanin'izy ireo any Madagascar : fanampiana sy fanatsarana ny fari-piainan'ny ankizy.

Toa izao ny fandaharam-potoana :

- 20h30 ka hatramin'ny 21h30 : tsakitsaky malagasy isan-karazany

- 21.30 ka hatramin'ny sasakalina : alim-pandihizana.

Ny vidim-pidirana dia 15 euro (tsy tafiditra ao ny zava-pisotro), ary tsaratsara kokoa raha manao famandrihan-toerana mialoha :

 

E-mail : info@tetezanaonlus.org

Andry : 347-1432921

Bruno : 348-5446152

Claudia : 338-2890576