You are here

SOS Madagascar

Nampidirin'i superadmin ny Mon, 05/03/2007 - 09:58

Araka ny efa fantatsika amin’izao fotoan’andro tsy mampiato orana sy ny fifandimbiasan’ny rivo-doza any an-tanindrazana izao dia maro ireo traboina sy fananana ary fambolena simba any.

 Noho izany, ny Fanjakana malagasy, amin’ny alalan’ny masoivohom-pirenentsika eto Italia, dia manao antso avo ny isam-batan’olona, ny fikambanana tsirairay avy, ireo antoko sy sokajin’olona , na teratany malagasy na vahiny, mba hifanome tànana hiara-hiatrika izany olana goavana zakain’ny Firenena izany, fa voin-kava-mahatratra izy ity. (jereo eto ny ambangovangony) 

Raha ny vinavina dia vola mitentina 82 Mio $ no ilaina hiatrehana izany voina izany, ary ireo fikambanana iraisam-pirenena misahana izany (FAO. PAM…)dia efa nanaovana fangatahana avokoa, nefa dia entanina koa isika tsirairay avy hanao izay vitany. (Jereo eto ireo zavatra tena ilaina)

Izay mba fandraisantsika anjara amin’izany dia azo aterina na alefa amin’ny mpitam-bolan’ny masoivoho ao amin’ny via Riccardo Zandonai, 84. Ny fanazavana fanampiny koa dia azo angatahana ao amin’ny nomerao 06/36307797.

Dia isaorana eram-po eran-tsaina ny ezaka ataon’ny rehetra fa ny adidy tsy an’olon-dratsy.

Ireo vaovao mikasika ity voina ity: