You are here

Rivo-doza IVAN

Nampidirin'i superadmin ny Wed, 20/02/2008 - 12:43

Aina nafoy, tanàna sy fonenana rava, rano miakatra no takaitra navelan'ny rivo-doza Ivan tany an-tanindrazana, raha tafiditra tany amin'ny faritra atsinanan'ny Nosy izy tamin'ny 17 febroary teo.

Ny 17 febroary teo no niditra tany amin'ny faritra atsinanan'ny Nosy ny rivo-doza Ivan.

Efa nivoaka any an-dranomasina izy io saingy mavesatra dia mavesatra ny vokatry ny fandalovany tao Sainte-Marie, Fénérive-Est, Vavatenina, Amparafaravola, Ankazobe, Tsiroanomandidy, Mahabo, Morondava ary Morombe. 

(ny Filoha Ravalomanana tany Toamasina)

 

Nisy ny aina nafoy ; ny tanànan'i Sainte-Marie araka ny vaovao voaray dia rava teo amin'ny 95%.

Ao Antanananarivo moa dia vaky ny fefilohan'Ikopa sy Sisaona ary Mamba noho ny orana be loatra nentiny, ka tondraka ny rano, ary an'arivony ny tsy manan-kialofana.

Izahay eto amin'ny "www .malagasy.it" dia maneho ny fiarahanay ory amin'ny fianakavian'ireo namoy havana ary miray fo sy saina amin'ireo Malagasy havana, tapaka sy namana any an-tanindrazana amin'izao loza mihatra izao.

 

 

Misy loharanom-baovao vitsivitsy ireto azo jerena sombintsombin'ny takaitra navelan'i Ivan ("Ivan le terrible" tokoa ve?)

 

Jereo eto

Jereo eto

Jereo eto

Jereo eto