You are here

Raki-dehiben'ny Paka ao amin'ny paroasy katolika.

Nampidirin'i superadmin ny Wed, 19/03/2008 - 20:44

Mirary ny rehetra mba hanao ity Herinandro Masina ity ho herinandro handalinana ny fototry ny finoana, ary mampahatsiahy ny Lamesan'ny Paka ao amin'ny paroasy katolika.

Ny Lamesa amin'ny alahadin'ny Paka dia amin'ny 10h30 toy ny mahazatra ao amin'ny chapelle san Macuto, via del seminario 120.

Hisy ny fizarana valopy eo am-pidirana mba hanatontosana ny RAKI-DEHIBE amin'io andro io. Manentana ny tsirairay sy ny isam-pianakaviana hiomana amin'izany adidy lehibe izany. Manantena ny fahatongavan'ny maro indrindra indrindra hiara-hiombo-bavaka amin'io tonon'andro io.

 

Mirary Herinandro Masina ho an'ny tsirairay avy, mba ho herinandro handalinana lalina tokoa ny fototry ny finoana ity herinandro ity.

 

Ampatsiahivina hatrany fa misy ny lahatsoratra ho fiomanana am-panahy hiatrehana ny Paka ao amin'ny vohikalan'ny katolika.org : www.katolika.org

 

(nampita ny hafatra : Père Patrick)